Kroazada fahafito

Avy amin'i Wikipedia
Louis IX

Ny kroazada fahafito dia kroazada voalohany notarihin' i Louis IX (atao hoe Saint Louis) mpanjakan' i Frantsa. Tamin' ny taona 1244 no nanapahan' i Louis IX hevitra, niainga avy tao amin' ny Fanjakan' i Frantsa izy tamin' ny taona 1248 ka tonga teo amin' ny morontsirak' i Ejipta tamin' ny taona 1249. Resin' ny aretina ny tafika nentin' i Louis IX ka tsy nahita fahafahana indray ny tafika raha tsy tamin' ny taona 1250 ary ny mpanjakan' i Frantsa dia nandany ny efa-taona manaraka nandamina ny Fanjakan' i Jerosalema mba ho afaka miaro tena hanohitra ny Mamelòka. Tapitra tamin' ny taona 1254 ny kroazada fahafito tamin' ny fiverenan' ny mpanjakan' i Frantsa taorian' ny fahafatesan' ny reniny Blanche de Castille, izay nitantana vonjimaika ny fanhakana nandritra ny fotoana tsy nahateo ny mpanjaka.

Antsipiriany[hanova | hanova ny fango]

I Louis IX mpanjakan' i Frantsa dia nanomana kroazada hakana indray an' i Jerosalema izay nalain’ ny Mozilmana tamin' ny taona 1244. Nanomana paika nandritra ny efatra taona i Louis IX hanatanterahana ny nofinofiny. Tamin' ny fiafaran' ny volana Aogositra 1248 dia niondrana an-tsambo niaraka tamin' ny tafiny izy tao Aigues-Mortes hankany amin' ny nosy Kipra (Sipra) izay nandaniany ny ririnina tamin' ny fanohizana ny fanomanana. Nampiasa ny paikady tamin' ny kroazada fahadimy i Saint Louis sy ny miaramilany, ka niondrana an-tsambo tao Ejipta tamin' ny 5 Jona 1249 ka naka an' i Damieta (frantsay: Damiette) ny ampitson' io. Teo am-pandehanana mankany Kahira izy ireo no niady tamin' ny Mamelòka tamin' ny 8 Febroary 1250, nefa voan’ ny pesta izy ireo ka niverin-dalana nanao tari-dositra ary voasambotra tamin' ny farany tamin’ ny 6 Avrily 1250. Nandoa onitra tamin' ireo mpandresy sady namerina an' i Damiette tamin' ny Mozilmana i Saint Louis, avy eo nandeha any Palestina, izay nananganany manda fiarovana sy nanamafisany ny fiarovana ny Fanjakana Latina. Tamin' ny lohataonan' ny 1254, taorian' ny fifanarahana hampiato ny ady tamin' ireo andriana miozolmana, dia nody tany Frantsa niaraka tamin' ny tafika izy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]