Kroazada fahadimy

Avy amin'i Wikipedia
Ny papa Hônôrio III

Ny kroazada fahadimy (1217-1221) dia fanafihana miaramila mifanesy nataon' ny Kristiana ka ny tanjona tamin' izany dia ny hanani-bohitra ny soltanata aiobidan' i Ejipta sy ny haka ny ampahan-taniny mba hahafaha-mampifanakalo ny tany azo amin' ny tanin' ny Fanjakan' i Jerosalema taloha izay ambany fifehezana aiobida. Tsy nahomby izany kroazada izany vokatry ny tsy faneken' i Pelagio Galvani, solontenan' ny papa (legata), sy ny tsy fahafantarany ny pôlitika ao amin' io faritra io, izay nahatonga azy handa ny fifampiraharahana tamin' ny fotoana nahamety izany.

Antsipiriany[hanova | hanova ny fango]

Ny kroazada fahadimy dia nialohavan' ny Kroazadan' ny Ankizy (tamin' ny taona 1212). Nampiasa ny paikadin' ireo teo alohany ny papa Hônôrio III ka nikendry indraimandeha an' i Ejipta.

Ny fanafihana voalohany tamin' ity kroazada fahadimy dia natao tamin' ny seranan-tsambon' i Damieta (frantsay: Damiette) tamin' ny taona 1219. Ny fakana ny tanànan' i Kahira sy ny fanafihana mitohy mba hiantohana ny fifehezana an' i Sinay (na Sinaia) no tanjona manaraka. Tamin' ny farany dia navela ny fanafihana an' i Kairo, noho ny tsy fisian' ny mpanatevin-daharana nampanantenain' ny emperoran' ny Empira Masina, i Friedrich II (frantsay: Frédéric II). Tamin' ny volana Aogositra 1221 dia voahodidina ny mpisalotra vokovoko ka namela an' i Damieta tamin' ny Ejipsiana ho takalon' ny fahafahan' izy ireo. Rava ka niparitaka izy ireo tamin' ny volana Septambra 1221.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]