Aller au contenu

Kirilôsy avy any Jerosalema

Avy amin'i Wikipedia
Kirilôsy avy any Jerosalema

I Kirilôsy avy any Jerosalema dia teôlôjiana tao amin' ny Fiangonana Voalohany. Tokony ho tamin’ ny faramparan’ ny taona 350 tany ho any, dia nandimby an’ i Maksimôsy (avy any Jerosalema) ho evekan’ i Jerosalema izy, saingy natao sesitany imbetsaka noho ny fandrafian’ i Akasiôsy avy any Kaisarea sy ny pôlitikan’ ny emperora isan-karazany. Amin' ny teny grika ny anarany dia Κύριλλος Α΄ Ἱεροσολύμων / Kýrillos A Ierosolýmon; fa amin' ny teny latina kosa dia Cyrillus Hierosolymitanus.

Namela asasoratra manan-danja mirakitra ny fampianarana ny katekomena sy ny filaharan’ ny litorjia tamin' ny androny i Kirilôsy.

I Kirilôsy dia omem-boninahitra ho olo-masina ao amin' ny Eglizy Katôlika Rômanina, ao amin' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Tatsinanana, ao amin' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Atsinanana, ary ao amin' ny Fiombonambe Anglikanina. Tamin’ ny taona 1883 dia nambaran’ ny papa Leô XIII ho dokoteran' ny Eglizy i Kirilôsy. Tsaroana ao amin' ny Fiangonan' i Angletera i Kirilôsy miaraka amin' ny fahatsiarovana azy isaky ny 18 Marsa.