Katrafay

Avy amin'i Wikipedia
Katrafay

Ny katrafay na katrafà na katrafae dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Rutaceae sy ao amin' ny vondron-karazana Cedrelopsis. Atao hoe Cedrelopsis grevei ny anarany ara-tsiansa. Hazo manintsan-dravina izay tsy fahita firy afa-tsy eto Madagasikara izy, ary ny hodiny dia sitiliana mba hahazoana menaka hazo ampiasaina ho fanafody amin' ny aretina maro.

Karazan-javamaniry tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara ny katrafay, izay maniry ao amin’ ny faritanin' Antsiranana, Mahajanga, Fianarantsoa ary Toliara, manomboka amin’ ny haabon’ ny ranomasina hatramin’ ny 1 000 m. Ity karazana hazo ity dia misy faritra aniriana miisa 90, araka ny fantatra.

Eto Madagasikara, ny hoditry ny katrafay izay mangidy, dia ilaina betsaka amin' ny fanomezana fofona manitra ny toaka sy amin' ny fanamboarana zava-pisotro tsy misy alikôla. Ny hoditra katrafay koa dia heverina ho mpanaitra ny ozatra sy ny filan' ny nofo.