Dobo

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Kamory)
Aller à la navigation Aller à la recherche
Kamory

Ny dobo dia rano mihandrona voajanahary na nataon' olombelona toy ny farihy nefa kely kokoa sy marivo kokoa. Atao hoe kamory ny dobo voajanahary.

Teny malagasy[hanova | hanova ny fango]

Famaritana[hanova | hanova ny fango]

Ny dobo dia "lavaka ihandronan' ny rano, izay mazàna vitan-tanan' olombelona, fa tsy tahaka ny kamory na ny farihy, izay vita-Nanahary"[1].

Ny kamory kosa dia "rano mihandrona ao amin' ny toerana iray, ka kelikely kokoa noho ny farihy fa lehibe kosa miolotra amin' ny dobo"[2]. Azo faritana ho "velaran-drano mihandrona tsy dia lehibe loatra vita-nanahary na namboarina; antsoina koa hoe matsabory" koa ny kamory[3].

Teny mitovitovy hevitra[hanova | hanova ny fango]

  • Heniheny: "Tany ihandronan' ny rano ka manjary honahona sy feno ahitra; tany lava volo tsy ialan-drano ka manjary fotaka mandrevo"[4].
  • Hetrina: "Farihy na dobo taloha fa efa saika ritra nefa tsy ialan-drano foana"[5].

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Ranomasira

Ranovory

Ranomandeha

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. Rajemisa-Raolison Régis, "Dobo" ao amin' ny Rakibolana malagasy, Ambozontany. Antananarivo, 1985.
  2. Rajemisa-Raolison Régis, "Kamory" ao amin' ny Rakibolana malagasy, Ambozontany. Antananarivo, 1985.
  3. Service de la Logistique Pédagogique, "Kamory" ao amin' ny Voambolana malagasy-malagasy (frantsay), Ministère de l'Enseignement Secondaire et de l'éducation de Base, Antananarivo.1986.
  4. Rajemisa-Raolison Régis, "Heniheny" ao amin' ny Rakibolana malagasy, Ambozontany. Antananarivo, 1985.
  5. Rajemisa-Raolison Régis, "Hetrina" ao amin' ny Rakibolana malagasy, Ambozontany. Antananarivo, 1985.