Aller au contenu

Kônstantinôpôlisy

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Kônstantinôpôly)
Sarintanin' i Kônstantinôpla tamin' ny vanim-potoana bizantina, mifanitsy amin' ny Distrikan' i Fatih ankehitriny any Istanbul

I Kônstantinôpôly na Kônstantinôpôlisy na Kônstantinôpla dia tanàna naorin' ny emperora Kônstantino I (306-337) tamin' ny taona 330 teo amin' ny toerana niorenan' i Bizantioma (na Bizansa) hatramin' ny faharavany tamin' ny taona 1453, renivohitry ny Empira Rômanan' ny Atsinanana. Amin' ny teny latina dia atao hoe Constantinopolis, ary amin' ny teny grika dia Κωνσταντινούπολις / Kônstantinoúpolis fa amin' ny teny tiorka ôtômàna kosa dia قسطنطینیه / Kostantiniyye.

Lasa renivohitry ny Empira Ôtômàna izy tamin' ny taona 1923, nefa ny renivohitr' i Torkia ankehitriny dia nafindra any Ankara.

Tamin' ny taona 1930 dia novana ho Istambul ny anarany. Ankehitriny i Istambul dia ahitana mponina 15 tapitrisa any ho any sady misy ny foiben' ny Patriarkatan' i Kônstantinôpôly, izay hany sisa ahatsiarovana ny Empira Bizantina.