Fiteny tiorka ôtômana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny tiorka ôtômana, na fiteny tiorka ôsmanly na fiteny tiorka taloha no fiteny ôfisialin' ny Empira Ôtômana. Ny satany ôfisialy amin' ny maha fitenin' ny fanjakana azy dia nofaritana tamin' ny andininy faha-8 amin' ny lalàm-panorenan' ny taona 1876 mandra-pahatongan' ny fanavaozana an' ilay fiteny nataon' i Mustafa Kemal Atatürk taorian' ny taona 1923, taorian' ny nanjavonan' ity empira ity. Ny fiteny tiorka ôtônana dia nosoratana tamin' ny abidy arabo nasiam-panamboarana, ary miavaka noho ny fahitana voambolana avy amin' ny fiteny arabo na fiteny persiana betsaka. Avy i I Atatürk dia nandray ny abidy latina hanoratana ny fiteny tiorka ary nandrisika ny fanaovana asa famoronana teny vaovao manam-piavioana tiorka hanoloana ny voambolana arabo na persiana.

Amin' io fiteny io dia atao hoe لسان تركى / Lisân-ı Türkî; تركى / Türkî ; لسان عثمانى / Lisân-ı Osmânî ; تركچه Türkçe ny fiteny tiorka ôtômana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]