Aller au contenu

Kôngregasiôna Kristiana (pentekôtista)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Kôngregasiôna Kristiana dia fikambanana iraisam-pirenena tsy miankina amin' ny antokom-pivavahana misy ireo fivoriambe izay nifototra tamin' ny fifohazam-panahy pentekôtista italiana tany Chicago, izay nanomboka tamin' ny taona 1907. Ahitana izany, ohatra, ny any Brezila, ny any Arzantina, ny any Paragoay, ny any Etazonia, ny any Môzambika, ny any Italia, ny any Pôrtogaly ary ny any Irlandy. Manodidina ny 3 tapitrisa eo ny mpikambana, ka ny 2,5 tapitrisa amin' izany dia ao Brezila.