Hankany amin'ny vontoatiny

Kônfosiosy

Avy amin'i Wikipedia
Mbola ambangovangony  amin'ny resaka filôzôfy ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Sarivongan' i Kôonfosiosy

I Kônfosiosy dia filôzôfy sinoa teraka tamin' ny taona 551 tal. J.K. ary maty tamin' ny taona 479 tal. J.K. Ny anarany sy ny filôzôfiany dia nianjady tamin' ny eritreritra sy ny fomba fiainan' ny Sinoa, ny Kôreana, ny Japôney ary ny Vietnamiana.

Atao hoe 孔子 izy amin' ny teny sinoa (izay azo sortatana hoe Kǒng zǐ amin' ny pinyin na K'ung-tzu amin' ny Wade-Giles) sy 孔夫子amin' ny fiteny mandarina (izay azo soratana hoe Kǒng Fūzǐ amin' ny pinyin, na K'ung-fu-tzu amin' ny Wade-Giles), izay midika hoe "Tompo Kong". Navadiky ny Zezoita hoe Confucius ny anarany, izay mitovitovy feo amin' ny hoe "Kǒng Fūzǐ". Teraka tany Zou (陬) any akaikin' i Qufu (曲阜) any amin' ny faritanin' i Shandong, amin' ny tany Lu, i Kônfosiosy.

Ny kônfosianisma

[hanova | hanova ny fango]

Iray amin' ny sekoly lehibe ara-pilôzôfia sy ara-pitondrantena ary ara-pôlitika (sy ara-pivavahana koa) ao Sina ny kônfosianisma. Nivoatra nandritra ny taonarivo roa izy io nanomboka tamin' ny asasoratr' i Kong Fuzi (551-479 tal. J.K.).

Rehefa avy nifanehatra amin' ny sekolim-pisainana maro mpifaninana aminy nandritra ny Vanimpotoan' ny Fanjakana Miady ny kônfosianisma ka resy tamin' ny fitondran' ny mpanjaka Qin Shi Huang (秦始皇) mpanorina ny empira voalohany, dia nataon' ny emperora Han Wudi (漢武帝) (156 - 87 tal. J.K.) ho foto-pampianaram-panjakana ary nijanona tamin' izany satany izany hatramin' ny niorenan' ny Repoblikan' i Sina tamin' ny taona 1911. Niditra tany Vietnamy sy tany Kôrea ary tany Japàna koa ny kôfosianisma ka tao izy io no nampiraisim-bolo tamin' ny toe-java-misy teo an-toerana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]