Jodaisma eto Madagasikara
Ny jodaisma eto Madagasikara dia fantara amin' ny fomba ôfisialy ny fisiany tamin' ny taona 2016. Amin' izao fotoana izao dia mitombo isa ny Malagasy izay miova finoana ho amin' ny fivavahana jiosy[1][2]. Mihevitra ny sasany amin' ireo Malagasy ireo fa fiverenany an-doharano ny fandraisany ny fivavahana jiosy.
Tantaran' ny jodaisma eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Tsy fisiany talohan' ny taonjato faha-20
[hanova | hanova ny fango]Tsy misy porofo arkeôlôjika na sora-tanana momba ny fisian' ny Jiosy teto Madagasikara tamin' ny Andro Taloha na tamin' ny Andro Antenatenany. Ny fiheverana esôterika dia mandroso petra-kevitra manjavozavo izay mampifandray an' i Madagasikara amin' ny foko folon' i Israely very; ary i Madagasikara dia heverin' izy ireo ho ilay tany atao hoe Ôfira resahina ao amin' ny Baiboly, izay nahazoan' i Sôlômôna mpanjaka ny harenany; milaza koa izy ireo fa nafenina teto amin' ny nosy ny Fiaran' ny Fanekena[2]. Ireo hevitra ireo dia angano na finoana kokoa fa tsy vokatry ny fikarohana ara-tantara manaraka fomba fiasa siantifika[3][4].
Mety nandalovan' ny Conversos pôrtogey tamin' ny taonjato faha-16
[hanova | hanova ny fango]Efa tamin' ny taonjato faha-16 no nahitan' ny tantsambo pôrtogey ny morontsirak' i Madagasikara voalohany. Jiosy niova fo an-keriny ho katôlika (atao hoe Conversos) no heverina fa nandeha tany amin' ireny faritra ireny. Tsy mbola nisy soritra ara-pivavahana na fiarahamonina fantatra anefa hatramin' izao manaporofo izany.
Vanim-potoan' ny fanjanahantany: tsy nisy mponina jiosy
[hanova | hanova ny fango]Nandritra ny fanjanahan-tany frantsay dia tsy nisy vondrom-piarahamonina jiosy teto Madagasikara. Nisy ihany ny mpiasam-panjakana, na dokotera, na mpivarotra jiosy (matetika efa lasa Frantsay) vitsivitsy izay afaka nijanona vonjimaika teto amin' ny nosy. Tsy nisy fivavahana jiosy tafaorina ho fivavahana fanta-pisiana tamin' izany fotoana izany
Marihina fa nandritra ny fitondran' i Hitler, teo anelanelan' ny taona 1938 sy 1942, dia niresaka momba ny tetikasa "fanaovan-tsesitany ny Jiosy eorôpeana ho aty Madagasikara", fantatra amin' ny anarana hoe "Plan Madagascar". Tsy nampiharina mihitsy izany tetikasa izany nefa nanamafy ny fiheverana ny nosy tao amin' ny fisainana jiosy sy tandrefana.
Ankehitriny: fahaterahan' ny jodaisma malagasy
[hanova | hanova ny fango]Nanomboka liana tamin' ny fivavahana jiosy ny vahoaka malagasy tsy jiosy, manodidina an' Antananarivo, tamin' ny fiantombohan' ny taompolo 2000. Anisan' ny antony nanosika azy ireo ny famakiana ny Baiboly hebreo, ny fandavana ny kristianisma nentin' ny fanjanahantany, ary ny fikatsahana ny fiverenana amin' ny "fototra" izay lazaina fa israelita.
Nanomboka nifandray tamin' ny vondrona malagasy ny fikambanana amerikana Kulanu, izay manohana ny vondrom-piarahamonina jiosy vao misandratra aty Afrika sy any jodaisma any Azia ary any Amerika Latina, sady nanome boky sy fanohanana litorjika ary nandefa iraka.
Ny fikambanana misy ankehitriny
[hanova | hanova ny fango]
fianakaviana ara-pinoana telo nanomboka nanaraka ny jodaisma, izay notarihin' i Ashrey sy i Peteola ary i Touvya.
Fikambanana jiosy mesianika
[hanova | hanova ny fango]Nanomboka tamin' ny taompolo 2010 no tena nahafantarana ny fisian' ny Malagasy manaraka ny jodaisma[5]. Ny maro amin' izy ireo anefa dia ao amin' ny ny jodaisma mesianika [6], izay tsy eken' ny Jiosy ho firehan' ny jodaisma sady sokajîn' ny mpahay tantaran' ny fivavahana ho ao amin' ny kristianisma. Ny jodaisma mesianika dia manakambana singa avy amin' ny kristianisma, toy ny finoana fa Mesia i Jesoa (na Yeshua), sy singa avy amin' ny jodaisma. Manaiky ny maha Mesia an' i Ieshua (izany hoe Jesoa) ny mpanaraka azy.
Fikambanana jiosy ôrtôdôksa
[hanova | hanova ny fango]Ny mpikambana amin' ny fikambanana jiosy ôrtôdôksa dia nifandray tamin' ny Kulanu any New York, Etazonia[7]. Vao tamin' ny volana Mey 2016 no nisy Malagasy miisa 121 noraisina ho amin' ny jodaisma araka ny fomba jiosy mahazatra, niseho eo anatrehan' ny vondrona raby (atao amin' ny teny hebreo hoe בית דין / beit din "tranon' ny fitsarana"[2], izany hoe fitsarana rabinika) tao amin' ny trano fandraisam-bahiny Le Pavé, sady nasaina niroboka anaty renirano (atao amin' ny teny hebreo hoe מִקְוָה / mikveh) tany ivelan' Antananarivo[2], mba hadio ara-pivavahana[5]. Tsy nisy intsony ny famoràna ny lehilahy malagasy izay efa voafora rahateo. Na izany aza dia nisy ihany, ho an' ny lehilahy, ny הטפת דם ברית / hatafat dam brit (fakana ra ho mariky ny famorana)[2]. Raby telo avy amin' ny jodaisma ôrtôdoksa no nitarika izany, dia i Rabbi Oizer Neumann avy any Brooklyn sy i Rabbi Achiya Delouya avy any Montreal ary i Rabbi Pinchas Klein avy any Philadelphia (samy any Etazonia). Manakaiky kokoa ny Jiosy sefarada ireo Malagasy nisafidy hanaraka ny jodaisma rabinika ireo.
Tao anatin' ny folo andro dia nisy fankalazana maromaro narahina: fampakaram-bady roa ambin' ny folo amin' ny fomba jiosy, lahateny maro momba ny fifandraisan' i Madagasikara sy ny Isiraelita fahiny, ary koa lahateny nataon' i Tudor Parfitt, manam-pahaizana britanika momba ny fokon' ny Isiraely very[2].
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]Sary mihetsika
- "Jewish Revival in Madagascar", www.youtube.com
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ "Are Jews a Religious Group or an Ethnic Group?" (PDF). Institute for Curriculum Services.
- 1 2 3 4 5 6 "In remote Madagascar, a new community chooses to be Jewish" - The times of Israel.
- ↑ Misy amin' ny fianakavian' ny mpanjaka merina, toa ny printsy Ndriana Rabarioelina, no milaza fa taranaka jiosy. Nambarany fa manodidina ny 80 % amin' ny Malagasy no afaka milaza fa manana razambe jiosy, izany dia mifototra amin' ny marika hebreo voasokitra amin' ny fasana any amin' ny faritra toa an' i Vatamasina-Vohipeno.
- ↑ Na dia eo aza ireo lovantsofina ireo dia tsy misy porofo mivaingana amin' ny arkeôlôjika na tahirin-kevitra voasoratra tranainy momba ny jodaisma fahiny teto Madagasikara. Ny soritra ara-tantara misy dia tsy ampy hatao fanohanan-kevitra: angamba ny fifandraisana tsindraindray tamin' ny Arabo tamin' ny taonjato faha-7, na ny conversos pôrtogey tamin' ny taonjato faha-16.
- 1 2 Josefson, Deborah (5 June 2016). "In remote Madagascar, a new community chooses to be Jewish". Jewish Telegraphic Agency. Notsidihina tamin' ny 24 Marsa 2017.
- ↑ Kestenbaum, Sam. "'Joining Fabric of World Jewish Community,' 100 Convert on African Island of Madagascar". The Forward. Retrieved 2018-09-26.
- ↑ Ny Kulanu dia fikambanana jiosy manentana momba ny fiovam-pinoana ho amin' ny jodaisma sy manohana ireo Jiosy tsy afa-mifandray amin' ny namany ary mikarakara ny fampodiana ny Jiosy any an-taniny.