Helodranon' i Diego-Suarez

Avy amin'i Wikipedia
Helodranon' Antsiranana, ahitana ny nosy Pain de Sucre na Nosy Lonjo

Ny Helodranon' Antsiranana na Helodranon' i Diego-Suarez dia helodrano any avaratr' i Madagasikara, misy ny tanànan' Antsiranana (Diego-Suarez). Nalaina avy amin' ny avy amn' ny anaran' ireo Pôrtogey roa, i Diogo Dias sy ny amiraly Suarez, ny anarany. Tena helo-drano niforona izy io rehefa niditra ny morontsiraka ny Ranomasimbe Indianina.

Jeôgrafia[hanova | hanova ny fango]

Any avaratr' i Madagasikara no misy ny Helodranon' Antsiranana izay mirefy 20 km eo ho eo avy avaratra mianatsimo, sy 20 km avy atsinanana miankandrefana. Misampana ho helodrano madinika efatra izy, dia:

  • ny Helodrano Tonnerre;
  • ny Helodranon' Andovobatofotsy;
  • ny Helodrano Galoà;
  • ary ny Helodranon' Andovobazaha, izay eo andrefany no misy ny tanànan' Antsiranana.

Nosy be vato avy amin' ny volkano, antsoina hoe Nosy Lonjo (na Pain de Sucre), no mierinerina ao amin' ny Helodranon' Andovobazaha, izay helodrano farany atsimo indrindra. Heverina ho toerana masina izy io ka ny fombafomba nentim-paharazana antsoina hoe fijoroana dia mbola fanao matetika ao.

Tery ny fidirana amin’ ilay helodrano, iray kilometatra monja ny sakan' ny fidirana eo anelanelan' i Nosy Volana ao avaratra sy ny Tanjona Andranomody any atsimo. Manodidina ny 50 m eo ho eo ny halalin' ireo fidirana ireo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]