Helodranon' i Bombetoka

Avy amin'i Wikipedia
Sary an-janabolan' ny helodranon' i Bombetoka.

Ny Helodranon' i Bombetoka dia helodrano any amin'ny morontsiraka avaratra-andrefan' i Madagasikara akaikin' ny tanànan' i Mahajanga, izay ikorianan' ny reniranon'i Betsiboka mankany amin' ny Lakandranon' i Môzambika. Nosy madininka sy fasika maro no niforona ao amin' ny vavarano noho ny hamaroan' ny antsanga entin' ny reniranon' i Betsiboka ary voavolavola tamin' ny fikorianan' ny renirano sy ny tosika ary ny fisintonana ny rano.

Manaraka ny morontsiraka sy amin' ireo nosy maro ny zava-maniry, indrindra ala honko. Raha ny marina, ny Helodranon' i Bombetoka dia fonenan' ireo vondrona honko lehibe indrindra sisa tavela eto Madagasikara, izay manome fialofana ho an' ireo vondrona sifo-dranomasina sy patsa sy ny makamba sy ny drakaka isan-karazany, ary koa toeram-ponenan' ny fano (sokatra an-dranomasina), ny vorona ary ny lamboara (dugong). Manaraka ny morontsiraka avaratra-andrefan' i Madagasikara, ny ala honko sy ny haran-dranomasina dia miara-mamorona tontolo iainana samihafa. Ny ala honko dia maka ny antsanga entin' ny renirano izay hanapotika ny haran-dranomasina, fa ny haran-dranomasina kosa dia miaro ny honko amin' ny onjan-drano.

Eo akaikin'ny rano, ny fiompiana makamba ary ny fambolem-bary no fahita matetika, fa betsaka ny fambolena kafe amin' ny tany manodidina.

Niova be ny fitaterana antsanga ao amin' ny Helodranon' i Bombetoka tao anatin' ny 30 taona izay, ka nitombo be ny fanafahan' ny antsanga nentin' ny Betsiboka, ary napetrany tao amin' ny vavaran-drano sy any amin' ny sampantsampan' ny vinanihefaka an-dranomasina. Nisy fiantraikany ratsy teo amin' ny fambolena sy ny jono ary ny fitaterana ho any amin'ny seranan-tsambon'i Madagasikara indrindra eto, izany fiovana izany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]