Aller au contenu

Harota sy Marota

Avy amin'i Wikipedia
I Harota sy Marota ao amin' ny lavaka mandrakizay (1703)

I Harota sy i Marota dia anjely roa voatonona ao amin' ny Kor'any (sorata 2:102), izay mampianatra ny fampiasana ody (siḥr) tao Babilôna. Atao amin' ny teny arabo hoe هَارُوْت وَمَارُوْت / Hārūt wa-Mārūt izy ireo. Araka ny voalazan' ny fanaovana famakafakana ny Kor'any (tafsīr), rehefa nitaraina momba ny faharatsian' ny olombelona i Harota sy i Marota dia nalefa tety an-tany izy ireo mba hifaninana amin' ny olombelona amin' ny fankatoavana. Rehefa avy nanao heloka bevava isan-karazany izy ireo dia tsy afaka niverina any an-danitra. Nomen' Andriamanitra safidy izy ireo na sazy eto an-tany na any amin' ny helo. Nanapa-kevitra izy ireo fa hosaziana eto an-tany, ka nahatonga an' ilay toe-javatra resahin' ny Kor'any.

Lasa niteraka tsy fitovian-kevitra ara-teôlôjia teo amin' ny finoana silamo ilay tantara. Milaza ny teôlôjiana mozilmana sasany fa tsy afaka manota ny anjely, koa noho izany dia mandà ny fitantarana momba an' i Harota sy i Marota. Arakaraka ny fomba famakiana ny Kor'any (Qira'at), dia aseho ho "mpanjaka roa" i Harota sy i Marota. Nianatra mosavy na ody tamin' ny devoly ireo mpanjaka ireo ka avy eo dia nampianatra izany amin' ny olombelona. Ny fiezahana hafa hiarovana an' i Harota sy i Marota amin' ny ota, sady hanamafisana ihany koa ny maha anjely azy ireo, dia mamaritra azy ireo ho anjely nampianatra karazana ody tsara, fa ny devoly kosa nampianatra ody tsy ara-dalàna.

Mampifandray ny fitarainan' i Harota sy i Marota amin' ny anjely izay miady hevitra araka ny tantaraina ao amin' ny sorata 2:30 ny teôlôjiana mozilmana sasany. Araka izany, rehefa nanambara fa hamorona an' i Adama Andriamanitra, dia gaga tamin' izany fanapahan-kevitra izany ny anjely ary nilaza fa mahavita tsara kokoa noho ny olombelona izy ireo. Ny zava-nitranga ao amin' ny tantaran' izy ireo dia nitranga taorian' io fanambaràna io. Nametraka ny fahalavoana aorian' ny namoronana an' i Adama anefa ny ankamaroan' ny manam-pahaizana mozilmana anefa.

Ao amin' ny Kor'any, i Harota sy i Marota dia voalaza fohifohy ao amin' ny Sorata 2:102. Misy fomba famakiana sy fandikana samihafa io andininy io.

Ary dia nanaraka izay nolazain' ireo satana tao amin' ny fanjakan' i Salômôna izy ireo. Tsy mbola nitsipaka ny didin' Andriamanitra velively raha i Salômôna, fa ireo satana indrindra no nitsipaka ny didin' Andriamanitra: nampianatra mosavy ny olona izy ireo, sy izay nampidinina tamin' ireo Anjely roa tany Babilôna: Harota sy Marota. Ary tsy nampianatra na iza na iza ireo anjely roa ireo raha tsy niteny mialoha nanao hoe: "Tsy inona tsy akory izahay raha tsy fakam-panahy ihany; ka aoka ianareo tsy ho anisan' ireo tsy mpino"; koa dia nianaran' izy ireo tamin' ireto anjely roa ireto tamin' izany ny fomba fampisarahana ny olona amin' ny vadiny. Kanefa tsy afaka misompatra olona izy ireny raha tsy sitrak' Andriamanitra. Ary ny zavatra nanimba ny tenan' izy ireo ihany no nianarany, fa tsy izay misy vokatsoa ho azy. Ary efa fantatr' izy ireo tsara ihany koa, fa izay misafidy izany, dia tsy hahazo anjara intsony any an-koatra. Ka tena faharatsiana tokoa no natakalon' izy ireny ny fanahiny! Raha mba fantatr' izy ireny mantsy izany!" — Sorata Al Baqarah ("ny Ombivavy") 2;102

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]