Semiaza
I Samiaza dia karazana anjely lavo resahina ao amin' ny literatiora apôkrifa jiosy sy kristiana, izay anisan' ny atao hoe Mpiambina (grika: ἐγρήγοροι / egrêgoroi). Amin' ny teny hebreo izy dia atao hoe שַׁמְּחֲזַי / Šamməḥăzay; amin' ny teny arameana: שְׁמִיעָזָא / Šəmīʿāzāʾ; amin' ny teny grika: Σεμιαζά / Semiadza; amin' ny teny arabo: ساميارس / Samyarus. Fantatra koa amin' ny anarana hoe Semihaza, Semehaza, Semiazaza, Samiaza, Semhazay, Semaziôsy, Oza ary Ameziaràka na Amezaràka koa izy.
Ao amin’ ny Bokin’ i Henôka, izay fara fahakeliny, nosoratana tamin’ ny taonjato faha-3 tal. J.K., i Samiaza dia voalaza fa anjely mpitarika ny Mpiambina sy mpanentana ny fidinan' izy ireo ety an-tany. Rehefa tonga teo amin’ ny olombelona ireo Mpiambina ireo dia nampianatra azy siansa voarara (asa metaly, fanandroan-kintana, siansan' ny fitsaboana, ody famitahana) ary nanao firaisana ara-nofo tamin' ny vehivavy. Niteraka Nefilima ireo vehivavy ireo avy eo. I Samiaza sy ny anjely nanaraka azy dia noroahin’ Andriamanitra taorian' izany. Nanapa-kevitra Andriamajitra fa hanafoana ny Nefilima tsy ho ety ambonin' ny tany tamin’ ny alalan’ ny Safodrano. Araka ny voalazan’ ny angano sasany dia nahafantatra ny anaran’ Andriamanitra i Samiaza ary nanao fifanarahana tamin’ ny vehivavy iray mba hanambara izany taminy.
Ireto ny anaran' ny anjely sasany, amin' ny anjely potraka mliisa 199 teo ambany fibaikoan' i Samiaza, araka ny Bokin' i Henôka: Orakabarameela, Akibeela, Tamiela, Ramoela, Danela, Azkeela, Sarakoiala, Azaela, Armersa, Batraala, Anane, Zavebe, Samsaveela, Ertaela, Torela, Jômiaela ary Araziala.