Harmonious Chorale

Avy amin'i Wikipedia

Ny Harmonious Chorale (HC) dia antoko mpihira iraisan' ny antokom-pinoana ao Accra (Ganà). Anisan' ny amboarampeo tsara indrindra ao Ganà izy io. Noforonina voalohany tamin' ny anarana hoe Harmonious Quartet tamin' ny taona 2005 izy io ary novana hoe Harmonious Chorale tamin' ny taona 2007.

I Joyce Rosalind Aryee, mpanorina sy tale mpanatanteraka ny Salt and Light Ministries no filohan' ilay antoko mpihira. Ity amboarampeo ity dia eo ambany fitarihan' i James Varrick Armaah (mpanorina ny Harmonious Chorale), mpamorona ikay hira malaza hoe 'Oye', ary nahazo diplôma avy amin' ny School of performing arts Music Department ("Sekolin' ny Departemantan' ny Mozika an-tsehatra") ao amin' ny Oniversiten' i Ganà, ao Legon.

Ny Harmonious Chorale dia namoaka ny rakikirany voalohany, Come Let Us Sing, tamin' ny taona 2009.

Ny Harmonious Chorale tamin' ny taona 2016 dia nanangana ny Joyce Rosalind Aryee International Conference for Choirs, hetsika isan-taona ho fankasitrahana ny fandraisan' anjaran' i Aryee amin' ny fampiroboroboana sy famelomana ny mozika kôraly.

Ny Harmonious Chorale no antoko mpihira nasaina tao amin' ny Oniversiten' i Ganà andiany voalohany tamin' ny festivalin' ny UG Choral Music. Ny Harmonious Chorale dia nanatevin-daharana ireo mpitendry zavamaneno sy mpihira toa an' i Don Moen, i Sinach, i Angela Christie ary i Lionel Peterson tao amin' ny Akwa Ibom Christmas Carols Festival, ilay fivondronana mpiangaly hira noely eran-tany lehibe indrindra, eo ambany fiahian' ny Governoran' ny Fanjakana Akwa Ibom, ao Nizeria.

Ny Harmonious Chorale no antoko mpihira voalohany nisolo tena an’ i Ganà tamin’ ny World Choir Games natao tao Afrika Atsimo tamin' ny taona 2018 .