Aller au contenu

Grenà

Avy amin'i Wikipedia
Kristaly grenà tsy voasa

Ny grenà na grenata dia vondrona mineraly silikata izay nampiasaina hatramin' ny Andron' ny Alimo ho vatosoa sy ampaly (fandamana). Ny vato miforona saika avy amin' ny grenata dia antsoina hoe grenatita. Ny grenà koa dia singa manan-danja ao amin' ny vato vokatry ny fiofohana sasany (eklôzita, paragnesy), izay ahafahana mamerina ny tantaran' ny tsindry sy ny mari-pana nianjady aminy.

Ny grenata na grenà, dia vondrona mineraly mifandray, matetika ampiasaina ho vatosoa sy ampaly. Ny grenà dia manana hamafy 6 hatramin' ny 7,5 sy hakitroka 3,6 hatramin' ny 4,3. Mampiseho fanjelatry ny fitaratra izy ireo ary ny karazany sasany dia tena mamiratra.

Kristaly grenà voasa

Ny karazana grenà rehetra dia manana toetra ara-pizika sy endrika kristaly mitovy, saingy tsy mitovy ny taharo simikany. Ny karazana samihafa misy dia ny pirôpa, ny almandinina, ny spesartinina, ny grôsolera (karazana misy hesônita sy tsavôrita), ny ovarôvita ary ny andradita.

Ny karazana grenà samihafa dia manana saika ny loko rehetra afa-tsy ny manga. Matetika ny grenà manja, mena, maitso, mavo, mainty na tsy misy loko. Ny grenà maloka indrindra dia matetika matroka ary ny grenà mazava dia mety mangarahara na tantera-pahazavana.

Ny faritra eto amin' izao tontlo izao ahitana grenà betsaka

Amin' ny ankapobeny dia miavaka ny karazana tsirairay noho ny singa simika izay samy manana ny azy. Ireto avy ny karazana miavaka: ny grôsolera: Ca3Al2(SiO4)3; ny pirôpa: Mg3Al2(SiO4)3; ny spesartita: Mn3Al2(SiO4)3; ny almandinina: Fe3Al2(SiO4)3; ny orvarôvita: Ca3Cr2(SiO4)3; ary ny andradita: Ca3Fe2(SiO4)3.

  1. Ny grôsolera, izay manana raikipohy simika Ca3Al2(SiO4)3, dia grenà manana loko matsatso na tsy misy loko, matetika manopy maitso, mena, mavo na volontany.
  2. Ny pirôpa, izay manana raikipohy simika Mg3Al2(SiO4)3, izay karazana grenà ampiasaina indrindra amin' ny fanamboarana firavaka, dia tena be mpitia noho ny lokony mena toa vatomena. Ny pirôpa madio dia tsy misy loko, fa ireo izay misy loto no manopy mena ka hatramin' ny mainty.
  3. Ny spesartita, izay manana raikipohy simika Mn3Al2(SiO4)3, dia tsy vatosoa sarobidy be vidy noho ny lokony, amin' ny ankapobeny volontany, na dia misy manopy mena aza indraindray.
  4. Ny almandinina, izay manana raikipohy simika Fe3Al2(SiO4)3, dia nampiasaina betsaka tamin' ny fanamboarana firavaka taloha. Misy loko isan-karazany manomboka amin' ny mena midorehitra ka hatramin' ny mainty, nefa amin' ny ankapobeny dia vato misy faritra mena sy mangarahara ihany no heverina ho vatosoa. Ny almandita dia mineraly fahita matetika any India sy any Aostralia ary any Amerika.
  5. Ny orvarôvita, izay manana raikipohy simika Ca3Cr2(SiO4)3, dia karazana grenà maitso emeralda, izay fahita indrindra ao anaty kristaly kely, kely loatra ka tsy ampiasaina amin' ny fanamboarana firavaka. Tsy fahita firy izy io, afa-tsy any amin' ny tangoron-tendrombohitra Ural.
  6. Ny andradita, izay manana raikipohy simika Ca3Fe2(SiO4)3, dia karazana grenà izay manana taharo sy loko miovaova be. Ny karazana mainty sy matroka, antsoina hoe melanita, dia indraindray anaovana firavaka ho an' ny olona misaona. Misy koa ny karazana mavo mangarahara, izay mitovy amin' ny tôpazy indraindray.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]