Gottlieb Nathaniel Bonwetsch

Avy amin'i Wikipedia

I Gottlieb Nathaniel Bonwetsch na Gottlieb Georg Nathaniel Bonwetsch dia teôlôjiana prôtestanta alemana manam-piaviana rosiana, teraka tao Saratov (any Rosia) tamin’ ny 5 Febroary 1848 ary maty tao Göttingen (any Alemaina) tamin' ny 18 Jolay 1925. Atao hoe Го́тлиб Натаниель Бонвеч / Gotlib Nataniel Bonvetch izy amin' ny teny rosiana.

Ny sehatra nanompanany ny asany dia ny tantaran' ny tenim-pinoana (na dôgma) teo amin' ny Fiangonana Kristiana voalohany. Nandray anjara tamin’ ny fanontana ny apôkrifa kristiana sy ny sy fanehoan-kevitra momba izany, ary ny fanontana ny asan’ i Metôdiôsy avy any Ôlimpôsy sy ny an' i Hipôlito avy any Rôma koa izy.