Fiteny ao Libia

Avy amin'i Wikipedia
Sarintany maneho ny vondrom-poko ara-piteny ao Libia

Ny fiteny ao Libia dia anjakan' ny fiteny arabo nefa hita ao koa ny fiteny berbera sy fiteny vahiny maro. Ny fiteny ôfisialin' i Libia dia ny fiteny arabo manara-penitra ankehitriny. Ny ankamaroan' ny mponina, manodidina ny 90 %, dia miteny iray amin' ny karazana fiteny arabo ho fiteny voalohany, sady manao izany ho fitenin-drazany, indrindraindrindra ny fiteny arabo libiana, nefa ao koa ny fiteny arabo ejipsiana sy ny fiteny arabo toniziana. Misy koa ny fitenin' ny vitsy anisa maro hafa ampiasaina any Libia toa ny fiteny berbera, ny fiteny tedaga na tedega, ny fiteny grika, ny fiteny dômary, ny fiteny tiorka ary ny ny fiteny kôpta. Ao koa ny fiteny vahiny toy ny fiteny anglisy sy ny fiteny italiana ary ny fiteny frantsay.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]