Fiteny ao Alzeria

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Alzeria

Ny fiteny ao Alzeria dia maro dia maro, nefa miteny arabo ny ankamaroan' ny mponina ao. Hatramin' ny fanavaozana ny lalàm-panorenana tamin' ny taona 2016, io firenena io dia manana fiteny ôfisialy roa, dia ny fiteny arabo (efa izay rahateo araka ny voalaza ao amin' ny lalàm-panorenan' io firenena io hatramin' ny taona 1963) sy ny fiteny amaziga (tamaziɣt, izay fiteny berbera nekena ho "fitenim-pirenena" tamin' ny alalan' ny fanitsiana ny lalàm-panorenana nanomboka tamin' ny 8 May 2002); teo aloha dia ny fiteny arabo ihany no nanana io sata io. Ny fitenim-paritra arabo antsoina hoe darja eo an-toerana, no fiteny lehibe ampiasain' ny mponina. Miely patrana koa ny fioteny tamazigta sy ny fiteny frantsay. Ny fiteny arabo alzeriana sy ny fiteny berbera dia fiteny teratany ho an' ny amin' ny 99 % amin' ny Alzeriana, ka ny fiteny arabo alzeriana dia tenenin' ny 90 % eo ho eo ary ny fiteny berbera ampiasain' ny 10 %.

Ny fiteny frantsay, na dia tsy manana sata ôfisialy aza, dia mbola ampiasaina amin' ny haino aman-jery (gazety sasany) sy amin' ny fanabeazana, noho ny tantaram-panjanahana an' i Alzeria. I Malika Rebai Maamri, mpanoratra ny "The Syndrome of the French Language in Alzeria," dia nilaza fa ny fiteny ampiasaina any an-trano sy eny an-dalambe dia mijanona ho fifangaroan-teny avy amin' ny fitenim-paritra alzeriana sy ny fiteny frantsay.

Ny fiteny kabila, izay fiteny berbera be mpampiasa indrindra ao amin' ilay firenena, dia ampianarina sady fiteny ôfisialy koa (miaraka amin' ny fameperana vitsivitsy) any amin' ny faritra sasany ao Kabylia.

Fiteny arabo[hanova | hanova ny fango]

Ireto avy ny karazan' ny fiteny arabo ampiasaina ao Alzeria:

Fiteny berbera[hanova | hanova ny fango]

Faritra ahitna mpiteny berbera ao Alzeria

Ireto avy ny karazan' ny fiteny berbera ampiasaina ao Alzeria:

  • Fiteny kabila
  • Fiteny saoia
  • Fiteny berbera saheliana
  • Fiteny oargly
  • Fiteny môzabita
  • Fiteny toarega aljeriana
  • Fiteny selha
  • Fiteny senoy
  • Fiteny zeneta isan-karazany

Fiteny hafa[hanova | hanova ny fango]

Ireto avy ny fiteny hafa ampiasaina ao Alzeria:

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]