Fikambanana Maneran-Tany momba ny Sakafo sy ny Fambolena

Avy amin'i Wikipedia
Logôn' i FAO

Ny Fikambanana Maneran-Tany momba ny Sakafo sy ny Fambolena dia vondrona manokana ao amin' ny Firenena Mikambana, ka miasa eo amin' ny sehatra fanohanana sy fanampiana ara-tsakafo ary fambolena maneran' izao tontolo izao. Naorina tamin' ny taona 1945 tao Québec izy ary manana birao foibe ao Rôma ao amin' ny Palazzo FAO nanomboka tamin' ny taona 1951.

Amin' ny teny frantsay izy dia atao hoe Organisation des Nations unies pour l’alimentation et l’agriculture; fa amin' ny teny anglisy kosa dia Food and Agriculture Organization of the United Nations., izay hafohezina amin' ny hoe FAO.

Ny filoha ambony mitantana ny FAO amin' izao dia i José Graziano da Silva, ary ny filoha mpanolo-tsaina mahaleotena dia i Luc Guyau. Nanomboka tamin' ny 15 jona 2013, ny FAO dia mitotaly 197 ireo mpikambana ka ny firenena mpikambana 194 dia ao Erôpa sy ireo nosy manodidina. Manana tanjona avo ny FAO dia "Manampy sy manorina tontolo afaka amin' ny mosary" (amin' ny teny frantsay hoe: "Aider à construire un monde libéré de la faim") ary misy koa ny tarigetrany izay misoratra amin' ny sary famantarana hoe: "Fiat panis", amin' ny teny latina midika hoe "Misia mofo").

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Sehatra ofisialy :http://www.fao.org/about/en/

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.