Fihaonambe Panafrikana Voalohany

Avy amin'i Wikipedia

Ny Fihaonambe Panafrikana Voalohany dia natao tany Lôndra tamin' ny 23 ka hatramin' ny 25 Jolay 1900 (talohan' ny "Fampirantiana tany Paris" tamin' ny taona 1900 "mba hahafahan' ireo mpizaha tany taranaka afrikana manatrika ireo hetsika roa ireo"). Tamin' ny voalohany indrindra nokarakarain' ny mpisolovava trinidadiana Henry Sylvester Williams, ity fihaonambe ity dia natao tao amin' ny Lapan' ny Tanànan' i Westminster (Westminster Town Hall izay lasa Caxton Hall ankehitriny) ary natrehin' ny solontena 37 sy mpandray anjara 10 hafa ary mpanara-maso avy aty Afrika, avy any Karaiba, avy any Etazonia ary avy any amin' ny Fanjakana Mitambatra, anisan' izany i Samuel Coleridge-Taylor (solontena zandriny indrindra), i John Alcindor, i Benito Sylvain, i Dadabhai Naoroji, i John Archer, i Henry Francis Downing, i Anna H. Jones, i Anna Julia Cooper, ary i W. E. B. Du Bois, miaraka amin' ny eveka Alexander Walters ao amin' ny African Methodist Episcopal Zion Church (Etazonia).

Nitana andraikitra lehibe i Du Bois, nandrafitra taratasy ("Lahateny ho an' ny firenena maneran-tany") ho an' ireo mpitarika eorôpeana izay miantso azy ireo hiady amin' ny fanavakavaham-bolon-koditra, hanome ny zanatany aty Afrika sy any Karaiba zo hitondra tena sy hitaky ny zo hafa ara-pôlitika ho an' ny Afrô-Amerikana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]