Fanavakavaham-bolon-koditra
Ny fanavakavaham-bolon-koditra dia ny finoana n'ny olombelona, araka ny vondrona misy azy, manana toetra samihafa mifanaraka amin' ny toetra nolovaina ary azo zaraina araka ny fahambonian' ny foko iray noho ny hafa, indrindra ny volon-koditra. Mety hidika koa izy io fa fitsarana an-tendrony, fanavakavahana, na fanoherana miantefa amin' ny olon-kafa satria tsy mitovy firazanana na foko izy ireo. Ny fanavakavaham-bolon-koditra môderina dia matetika mifototra amin' ny fomba fijery ara-tsôsialy momba ny fahasamihafana biôlôjika eo amin' ny olona. Ny endrika fanorisorenana ara-môraly, fantatra kokoa amin'ny hoe microaggression, dia mety hisy fiantraikany ratsy eo amin'ny fiarahamonina voakasika. Ahena hatrany ny fanavakavahana amin'ny Afrikana, indrindra fa ireo taranaka Afrikana any Frantsa.