Fifohazam-panahy lehibe fahatelo

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche

Ny fifohazam-panahy lehibe fahatelo dia vanimpotoana ara-tantara izay voamariky ny fihetsiketsehana lehibe ara-pivavahana tao Etazonia, izay namboka tamin' ireo taona 1850 ka hatramin' ireo taompolo voalohany tamin' ny taonjato faha-20. Atao hoe Third Great Awakening izany amin' ny teny anglisy. Nisy fiantraikany tamin' ireo antokom-piangonana prôtestanta pietista izany sady niteraka koa fihetsehetseham-pitakiana ara-piarahamonina izay namporisihin' ny finoana fa ny fiavian' i Kristy fanindroany dia hiseho aorian' ny fanavaozan' ny zanak' olombelona ny tany manontolo. Nisy fifandraisany amin' ny fihetsiketsehan' ny Filazantsara ara-piarahamonina (na fihetsiketseha' ny Evanjely sôsialy) izany, izay nampihatra ny kristianisma amin' ny resaka fiarahamonina (sôsialy) sady nandray ny heriny avy amin' ny fifohazam-panahy lehibe, sahala amin' ny fihetsihetsehana misiônera prôtestanta maneran-tany.

Maro ireo vondrona ara-pivavahana izay teraka tamin' izany, ka isan' izany ny Fihetsiketsehan' ny Fanamasinana (1894) sy ny Siansa Kristiana (1879). Avy tamin' ny Fihetsiketsehan' ny Fanamasinana no nipoiran' ny Fiangonan' ny Nazareana (1908) sy ny pentekôtisma (1906). Teraka koa ny Vavolombelon' i Jehovah, ny spiritoalisma, ny teôzôfia ary ny telema.

Ny fifohazam-panahin' i Ulster sy ny an' i Wales (Pays de Galles) (1859) sy ny fifohazam-panahy galoà (1904-1905) dia niseho nandritra izany fotoana izany, na dia tsy voakasiky ny fifohazam-panahy lehibe fahatelo mivantana aza ny Fanjakana Mitambatra, tsy tahaka izay ny zava-nitranga tamin' ireo fifohazam-panahy lehibe roa voalohany.

Tamin' izany vanimpotoana izany no nadraisan' ny antokom-piangonana prôtestanta amerikana ny fitakiana ara-môraly toy ny fanafoanana ny fanandevozana sy ny ady amin' ny fisotroana toaka. Nametraka ny fototry ny Fanjakana miahy vahoaka izany sady nanome koa ny fototra ara-pilôzôfia sy ny tosika ara-pôlitika ho an' ny fanitsiana ara-piarahamonina tamin' ireo taona 1930 sy 1940 ary 1950, ho an' ny fanitsiana ny lalàna sivika tamin' ireo taona 1950 sy 1960, ary ho an' ny fanavaozana feminista tamin' ny fiafaran' ireo taona 1960 sy fiandohan' ireo taona 1970.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]