Fiangonana hita maso

Avy amin'i Wikipedia

Ny Fiangonana hita maso dia andian-teny iray ao amin' ny teôlôjia kristiana sy ny eklesiôlôjia izay ilazana ny fiangonana misy ny mpino kristiana eto an-tany, mifanohitra amin' ny "Fiangonana tsy hita maso" na ny "Fiangonana mpandresy", izay foronin' ny fiombonan' ny olo-masina sy ny fikambanan' ny olom-boafidy.

Ao amin' ny eklesiôlôjia, ny Fiangonana hita maso dia manana anarana maro, toy ny hoe Fanjakan' Andriamanitra sy mpianatr' i Kristy ary vahoakan' Andriamanitra. I Ignatiôsy avy any Antiôkia no anisan' ny mpanoratra kristiana voalohany nanoratra momba io lohahevitra io, ary nanizingizina fa ny eveka sy ny eokaristia na ny Fanasana Farany no ivon' ny Fiangonana hita maso.

Tamin' ny Kristianisma tany am-boalohany, ny mpanoratra anti-gnôstika toa an' i Ireneo, na ny mpanoratra anti-nôvatiana toa an' i Kipriano any Kartago, dia matetika nifantoka amin' ny "Fiangonana hita maso" mba hanoherana ny hevitra samihafa heverina ho finoan-diso. Tao anatin" izany toe-javatra izany no nipoiran' ny fitenenana hoe Extra Ecclesiam nulla salus (izay midika hoe "tsy misy famonjena ivelan' ny Fiangonana"), izay nanizingizina mafy ny amin' ny tsy fanavahana ny Fiangonana hita maso sy ny Fiangonana tsy hita maso.