Fiangonana Kristiana sy Fiangonan' i Kristy

Avy amin'i Wikipedia

Ny Fiangonana Kristiana sy Fiangonan' i Kristy izay ao amin' ny firehana evanjelikan' ny hetsika famerenana amin' ny laoniny, izay antsoina koa hoe "hetsika Stone-Campbell" sy "Fanavaozan' ny taonjato faha-19", dia fiangonana tsy manana fifandraisana ara-piangonana amin' ny fiangonana hafa, nefa manana toetra maro momba ny finoana sy ny fanompoam-pivavahana iraisany.

Ireo fiangonana ireo dia mampihatra amin' ny fomba hentitra ny rafi-piangonana kôngregasiônalista ary tsy misy fifamatorana araka antokom-piangonana. Noho izany dia nekena ny tsy hampiasana anarana manokana mety ho an' ilay hetsika amin' ny ankapobeny. Ny ankamaroan' ny fiangonana (fa tsy izy rehetra) amin' ity firehana ity dia ahitana ny teny hoe "Fiangonana Kristiana" na "Fiangonan' i Kristy" amin' ny anarany.

Noho ny tsy fisian' ny fandaminana ara-dalàna eo amin' ireo kôngregasiôna (fiangonana isan-toerana) ireo dia tsy ampy ny angona antontan' isa ôfisialy, kanefa ny Directory of the Ministry 2016 dia manisa kôngregasiôna miisa 5 000 eo ho eo any Etazonia sy any Kanada.

Ireo kôngregasiôna ireo dia iray fototra ara-tantara amin' ny kôngregasiôna hafa mitovy anarana ao anatin' ny hetsika famerenana amin' ny laoniny, ao anisan' izany ny kôngregasiôna voalamina ao anatin' ny fiangonanana ara-dalàna, toy ny "Fiangonana Kristiana (Mpianatr' i Kristy)" na ny "Fiangonan' i Kristy".

Ireo kôngregasiôna voatonona ato amin’ ity lahatsoratra ity ireo anefa dia nisafidy ny hizaka tena tanteraka. Ny mampiavaka an’ ireo kôngregasiôna ireo dia ny fampiasany ny mozikan-javamaneno eo amin’ ny fanompoam-pivavahany, fa tsy toy ny “Fiangonan' i Kristy” izay tsy mampiasa zavamaneno.

Ireo kôngregasiôna mampiasa zavamaneno resahina eto sy ny "Fiangonan' i Kristy" izay tsy mampiasa izany dia mitovitovy saingy tsy dia mifandray firy amin' ny ankamaroany, na dia misy aza ny fiaraha-miasa eo amin' ny fiangonana lehibe kokoa sy any amin' ny toeram-pampianarana sasany.