Faritra euro

Avy amin'i Wikipedia
Ireo firenena ao amin'ny faritra euro ary ireo firenena izay ho tafiditra na mampiasa ny vola euro

Ny faritra euro dia vondrona ara-tsandam-bola izay isian'ireo firenen'ny Vondrona Eoropeana izay mampiasa ny vola euro ho vola tokana. Firenena 19 izay miisa eo amin'ny 322 tapitrisa mponina eo ho eo no ao amin'ny faritra euro ny 1 Jannoary 2011. Firenena iraika ambin'ny folo no namorona io fairtra io tamin'ny 1999 : Alemaina, Aotrisy, Belzika, Espaina, Finlandy, Frantsa, Irlanda, Italia, Loksamborga, Nederlandy ary Portogaly. Tafiditra ao amin'ny faritra euro ireo firenena toy i Grisy (2001), Silaovenia (2007), Kipra ary Malta (2008), Silaovakia (2009) ary Estonia (2011).