Aller au contenu

Fanirisoa Ernaivo

Avy amin'i Wikipedia

I Fanirisoa Ernaivo dia vehivavy mpitsara sady mpanao pôlitika malagasy. Teraka tamin' ny taona 1979 tao Antananarivo izy. Niditra amin' ny sehatry ny fanaovana pôlitika izy ary efa nilatsaka ho filoham-pitrenena tamin' ny taona 2018. Nanangana ny RMDM Diaspora, izay ivondronan' ny mpanao pôlitika malagasy any ivelany manohitra ny fitondran' i Andry Rajoelina. Nalaza izy tamin' ny nampahafantarany ny vahoaka malagasy ny fanananan' ity filoham-pirenena ity zom-pirenena frantsay sy tamin' ny nametrahany fitoriana momba izany.

Ny fianakaviany

[hanova | hanova ny fango]

Teraka tamin' ny taona 1979 tao Antananarivo i Fanirisoa Ernaivo. Mpampianatra matematika sy fizika ny rainy ary dokotera ny reniny. Namoy ny ray aman-dreniny aloha be izy. Telo ny zanany. Nianatra lalàna izy ka lasa mpitsara tao amin' ny Minisiteran' ny Fitsarana malagasy sy lasa filohan' ny sendikan' ny mpitasara malagasy[1].

Mpahay lalàna sy mpitsara malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Fianarana lalàna

[hanova | hanova ny fango]

Nilofo i Fanirisoa Ernaivo ka nahavita ny fianarana lalàna. Nandray anjara amin' ny fifaninanana hidirana ao amin' ny Ecole de Nationale de la Magistrature et des Greffes (ENMG) izy ary nahavita soa aman-tsara ny fianarany ka tafiditra ao amin' ny tontolon' ny fitsarana malagasy. Nianatra tao amin' ny Centre d'Etudes Diplomatiques et Stratégiques (CEDS) ao Antananarivo sy tao amin' ny Ecole Nationale d'Administration (ENA) any Paris renivohitr' i Frantsa izy, ka izany no fidirany an-tsehatra voalohay amin' ny tontolon' ny pôlitika[1].

Mpitsara malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Nandritra ny asany, noho ny fiofanana momba ny lalàna norantoviny, dia niandraikitra ny asan' ny mpampanoa lefitra (substitut du procureur) i Fanirisoa Ernaivo, avy eo inspektera mpitsara (magistrate inspecteur) tao amin' ny Minisiteran' ny Fitsarana; avy eo mpitsara teo anivon' ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Antananarivo[1].

Izy no vehivavy voalohany filohan' ny Syndicat de la Magistrature de Madagascar (SMM) nanomboka tamin' ny volana Desambra 2016, izay nanohizany ny fitakiana momba ny fahaleovantenan' ny fitsarana malagasy[2]. Efa filohan' ny Solidarité Syndicale de Madagascar (SSM), izay mampivondrona ny sendika rehetra ao amin' ny sehatry ny asam-panjakana sy ny tsy miankina, koa izy[1].

Fanaovana pôlitika

[hanova | hanova ny fango]

Firotsahana amin' ny fanaovana pôlitika

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 2018 i Fanirisoa Ernaivo no lasa anisan' ny mpanao pôlitika malagasy fantatra indrindra eto Madagasikara. Noho ny asam-pitsarana nosahaniny sy ny naha filohan' ny SSM azy dia niditra an-tsehatra teo amin' ny tontolon' ny pôlitika malagasy i Fanirisoa Ernaivo mba hitondra vina vaovao amin' ny fitantanana ny firenena momba ny lafiny lalàna, toekarena, fiarahamonina ary fahaiza-mitantanana[1].

Tamin' ny taona 2018 i Fanirisoa Ernaivo no nilatsaka ho filoham-pirenena tamin' ny alalan' ny fikambanana "Zanak' i Madagasikara" sy "Parti Travailliste Malagasy" (ZAMA - PATRAM)[3][4][5]. Izy no zandriny indrindra tamin' ny mpilatsaka. Tsy lany izy tamin' izay[6].

Tsy nitsahatra amin' ny fanaovana pôlitika i Fanirisoa Ernaivo, ka tamin' ny taona 2019 izy dia nanangana sy nitarika ny Association pour le Droit et Développement de Madagascar (ADM) mba hampiharany ny faharesen-dahatra nananany manokana tamin' ny alalan' ny fanomezana fanampiana ny olona sahirana[1].

Fanenjehana azy sy fanamafisany ny fanoherana

[hanova | hanova ny fango]

Nesorina tsy ho anisan' ny mpitsara i Fanirisoa Ernaivo tamin' ny taona 2019 noho ny fiampangana st fanamelohan' ny fitsarana azy noho izy nohevarina fa nankasitraha ny fitsaram-bahoaka nahafaty mpitandro filaminana tany Fenoarivo-Atsinanana tamin' ny fandraisam-pitenenany teo Mahamasina (Antananarivo) tamin' ny taona 2018.

Tamin' ny taona 2020 izy dia nanangana ny RMDM Diaspora ("Rodoben' ny Mpanohitra ho an' ny Demokrasia eto Madagasikara am-Pielezana"), niaraka tamin' ny Malagasy mpitarika sy mpanao pôlitika maro hafa any ivelany, ka izy no voafidy ho filohan' izany fikambanana izany[1].

Fampahafantara ny maha Frantsay an' i Andry Rajoelina

[hanova | hanova ny fango]

Taty amin' ny volana Jona 2023 dia navoakan' i Fanirisoa Ernaivo tao amin' ny tambajotran-tserasera sy nohamafisin' ny haino aman-jery frantsay ny fananan' ny fioham-pirenena Andry Rajoelina zom-pirenena frantsay, na dia efa nivoaka an-gazety ny firesahana momba izany talohan' io fotoana io nefa tsy nisy porofo. Niteraka resabe sy ady hevitra teo amin' ny mpanao pôlitika sy ny mpahay lalàna ary ny mpanaraka ny raharaham-pirenena malagasy izany zavatra izany[7].

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]