Fandripahana ny Grika pôntika

Avy amin'i Wikipedia
Nisaona ny havany maty ny sivily Grika sivily, tamin' ny taona1922, vokatry ny fahamaizan' i Smirna

Ny fandripahana ny Grika pôntika dia famonoana ny Grika rehetra izay nonina tao amin' ny faritr' i Pônto tao amin' ny Empira Ôtômàna. Io no tapany avaratra-atsinanana amin' i Torkia ankehitriny. Teo anelanelan’ ny taona 1914 sy 1923 no nitrangan’ ilay fandripahana olona, rehefa namono na nandroaka ny Pôntiana mankany amin' ny tany efitr' i Siria ny Tanora Tiorka sy Kemalista. Tsy mitovy ny fanombanana ny isan' ny olona maty. Ny ankamaroan' ny mpahay tantara dia milaza fa eo anelanelan' ny 350 000 sy 353 000 izany.

Niafara tamin' ny fandroahana ny Grika sisa mankany Grisia ny fandripahana. Nitranga izany nandritra ny fifanakaloza-mponina teo amin’ i Grisia sy i Torkia tamin’ ny taona 1923. Nosoniavina taorian’ ny Ady Grika-Tiorka Faharoa ny fifanarahana nanaovana io fifanakalozana olona io. Ny fandripahana ny Grika pôntika dia ampahany amin' ny fandripahana ny Grika.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]