Fandripahana ny Asiriana

Avy amin'i Wikipedia
Fandoroana fatim-behivavy asirianina

Ny fandripahana ny Asiriana, na Sayfo, dia fandripahana nataon' ny Empira Ôtômàna izay nahafatesana Asiriana maherin' ny 300 000 nandritra ny fanafihana. Nantsoin’ ny Asiriana hoe Sayfo, teny arameana midika hoe "sabatra" izy io. Maro ny Asiriana noheverin' ny Tiorka ho tsy madio ary novonoina noho ny tsy nahafoizany ny kristianisma mba hiovany ho Mozilmana. Namoy ny tranony sy ny fananany tamin' ny soltana Adulhamed ilay Mena ny Asiriana maro.

Na dia talohan' ny fandripahana aza dia efa nenjehina sy noterena handoa hetra be izy ireo. Hatramin’ ny andro fahiny sy ny fandresen’ ny Babilôniana dia tsy nanana ny fireneny ny Asiriana. Niparitaka tany amin' ny firenena maro samihafa ny ampielezana izy ireo. Tamin' ny fanapahan' ny Tiorka dia nampahorina sy noterena handray ny fanaon' ilay empira izy ireo, ary maro no namoy ny fahaleovantenany. Ireo izay tafavoaka velona dia nitana ny firaisan-kinany, indrindra tao amin' ny finoana kristiana lalina nananany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]