Hankany amin'ny vontoatiny

Fanambaràna miandalana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fanambaràna miandalana na fanambaràna mandroso dia fotopampianarana ao amin' ny kristianisma izay milaza fa ny boky ao amin' ny Baiboly izay nosoratana taty aoriana dia mirakitra fanambaràna feno kokoa an' Andriamanitra noho ny boky tranainy kokoa. Ny fanambaràna mandroso dia tsy midika fa ny fahamarinan' ny Testamenta Taloha dia ambany noho ny an' ny Testamenta Vaovao. Ny fandrosoana dia tsy avy amin' ny tsy fahamarinana mankany amin' ny fahamarinana - fa avy amin' ny fampahafantarana kely kokoa mankany amin' ny fampahafantarana feno kokoa.

Nanoratra, ohatra, ilay teôlôjiana atao hoe Charles Hodge:

Ny toetra miandalan' ny fanambaràn' Andriamanitra dia fantatra fa mifandray amin' ny fotopampianarana lehibe rehetra ao amin' ny Baiboly... Ny zavatra natolotra tamin' ny fomba manjavozavo tamin' ny voalohany dia niala sarona miandalana ao amin' ny ampahany manaraka amin' ny vondrom-boky masina, mandra-panambaràna ny fahamarinana amin' ny fahafenoany[1][2].

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Inty io ampahan-dahatsoratra nadika amin' ny teny malagasy io: "The progressive character of divine revelation is recognized in relation to all the great doctrines of the Bible... What at first is only obscurely intimated is gradually unfolded in subsequent parts of the sacred volume, until the truth is revealed in its fulness."
  2. Hodge, Charles (2003), Systematic Theology, vol. 1, Peabody: Hendrickson, p. 446, ISBN 1-56563-459-4 (also available as Hodge, Gross, Edward N (ed.), Systematic Theology (abridged ed.), ISBN 0-87552-224-6)