Fahoriana lehibe

Avy amin'i Wikipedia
Ny mpitaingin-tsoavaly efatra ao amin' ny Apôkalipsy, sary nataon' i Albrecht Dürer.

Ny fahoriana lehibe, araka ny eskatôlôjia kristiana sy an' ny fivavahana abrahamika sasany, dia vanim-potoana noresahin' i Jesoa tamin' ny toriteny nataony teo amin' ny Tendrombohitra Ôliva ka nilazany izany ho famantarana hitranga amin' ny andro farany. Amin' ny teny grika izany dia atao hoe θλῖψις μεγάλη / thlîpsis megálē.

Ao amin' ny Apôkalipsy 7:14, ny hoe "ny fahoriana lehibe" (grika taloha: τῆς θλῑ́ψεως τῆς μεγάλης / tês thlī́pseōs tês megálēs) dia iresahana momba izany vanimpotoana noresahin' i Jesoa izany. Mampiasa ny teny hoe "fahoriana" (grika: θλίβω / thlibô) ny Matio 24:21 sy 29 ao amin' ny toe-javatra milaza ny fahorian' ireo izay voagejan' ny fahirano sy ny loza ateraky ny ady.

Izany dia famantarana ny andro farany izay hialoha ny parosia (izany hoe ny fiavian' i Kristy fanindroany) sy ny fiavian' ny Fanjakan' Andriamanitra eto an-tany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]