Empira Akadiana

Avy amin'i Wikipedia
Empira Akadiana

Ny Empira Akadiana (na Empiran' i Agade, na Empiran' i Akady) dia fanjakana naorin' i Sargôna avy any Akady izay nanjaka tany Mesôpôtamia hatramin' ny faran' ny taonjato faha-24 ka hatramin' ny fiandohan' ny taonjato faha-21 tal. J.K. araka ny fandaharan-taona ekena indrindra, na dia azo inoana aza fa niroborobo taonjato iray tatỳ aoriana, dia tsy azo antoka ny famaritam-potoana ho an' ny vanim-potoana lavitra toy izany.

Nandray ny fahefana tao Kisy (Kish) i Sargôna (Sargon) ka nahavita nifehy haingana tao amin' ny faritra atsimon' i Mesôpôtamia, izay nanjakany tao amin' ny renivohiny, dia i Akady (Akkad), niaraka tamin' ny fanohanan' ny vondron' olo-manan-kaja iray izay miteny akadiana, izay fiteny semitika, mifanohitra amin' ny fiteny someriana izay ampiasain' ny ankamaroan' ny olona avy any amin' ireo faritany atsimo indrindra. Nahavita niitatra nankany amin' ny Lembalemba Iraniana any amin' ny faritr' i Sosa (Susa) izy, ary nifehy an' i Mesôpôtamia Ambony, avy eo dia nanao diabe fanafihana nankany Siria (Ebla). Niaro ny lova napetrany i Rimush sy i Manishtusu, mpandimby azy, na dia teo aza ny fikomiana, ary taorian’ izy ireo i Naram-Sîn, izay nampanjaka ny fahefana, dia nanao ny tenany ho andriamanitra ary nilaza ny fanjakazakany amin’ izao rehetra izao, izay nahatonga azy ho olo-malaza teo amin' ilay empira. Niatrika fikomiana koa anefa izy, ary taorian’ ny nahafatesany dia nirodana haingana ny Empiran' i Akady.

Na dia sarotra aza ny manavaka ny zava-misy amin' ny angano ao amin' ireo fitantarana ireo, indrindra fa hono ny antontan-tsoratra natao tamin' io vanim-potoana io izay tena mifantoka amin' ny fitantanan-draharaha (takelaka tanimanga fitantanan-javatra sy fitantanam-bola), ny vanim-potoanan' ny Empira Akadiana dia toa nampisongadina fiovana lalina teo amin' ny sehatra pôlitika, azo tsapain-tanana na eo amin' ny fandaminana ny fitondrana sy ny foto-pisainany na eo amin' ny zavakanto ôfisialy.

Io fanjakana io dia nanamarika lalina ny tantaran' i Mesôpôtamia. Naharitra taonjato maro ny fahatsiarovana an’ ireo mpanjakany malaza indrindra, dia i Sargôna sy i Naram-Sin, ary niteraka angano samihafa, mihoatra noho ny tarana-mpanjaka mesôpôtamia rehetra. Ny fivoarana ara-tsôsialy sy ara-toekarena tany Mesôpôtamia Ambany kosa dia dia voamarika amin' ny fomba kely, sahala amin' ny ankamaroan' ny endiky ny kolontsaina ara-materialy, izany dia manazava ny antony tsy ahafahana mamantatra ny lentan' ny arkeôlôjia amin' ny vanim-potoan' i Akady tao amin' io faritra io.