Aller au contenu

Dipoavatra mainty

Avy amin'i Wikipedia
Dipoavatra mainty (Piper nigrum)

Ny dipoavatra mainty dia karazan-javamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Piperaceae, ambolena mba hahazoana voany (ny dipoavatra), izay matetika hamainna sy ampiasaina hatao zava-manitra sy fanomezan-tsiro ny sakafo. Piper nigrum no anarany ara-tsiansa. Mena mainty, ary misy taolany iray mifono vihin-dipoavatra iray, ny voany izay manana savaivo mirefy 5 mm eo ho eo. Lazaina hoe dipoavatra fotsiny, na ny marimarina kokoa hoe dipoavatra mainty (voa tsy masaka nahandroina sy nohamainina), dipoavatra maitso (voa nohamainina mbola tsy masaka), na dipoavatra fotsy (voa efa masaka), ny voan-dipoavatra sy ny dipoavatra voatoto avy aminy.

Voa avy amin' ny zana-karazana samihafa

Teratany any amin' ny morontsirak' i Malabar any India ny dipoavatra mainty, ary ny zana-karazany atao hoe "dipoavatr' i Malabar" dia ambolena betsaka any sy any amin' ny faritra trôpikaly hafa. Efa nampiasaina hatry ny ela ny dipoavatra voatoto, maina ary masaka, noho ny tsirony na noho izy fanao fanafody nentim-paharazana. Ny dipoavatra mainty no zava-manitra amidy betsaka indrindra eran-tany, ary anisan' ny zava-manitra mahazatra indrindra ampiasaina amin' ny sakafo manerana izao tontolo izao. Noho fisian' ny haro simika atao hoe piperinina, izay karazana hasiaka hafa noho ny an' ny kapsaisinina mampiavaka ny sakay. Manerana ny Tontolo Tandrefana izy io dia atao fanampin-tsakafo manatsara tsiro sy fofona, ary matetika ampiarahina amin' ny sira ary hita eny amin' ny latabatra fisakafoana anaty boaty na tavoangy kely.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]