Dina Annicette
Rabevoavy Dina Annicette | ||
Ankapobeny | ||
Anarana | Rabevoavy Dina Annicette | |
Teraka | 3 May 1993 | |
Fiaviana sy ny andraikitra | ||
Firenena | Madagasikara | |
Karazana | Malagasy | |
Asa : | Filatroina | |
Taona niasana | 2011 | |
Fiainana manokana | ||
Seha-pitiavana | vady | |
I Dina Annicette antsoina hoe Dina Ninie ny tena anarany dia (Rabevoavy Dina Annicette), teraka tamin'ny 3 May 1993 tao Mandritsara, izy no tovovavy Malagasy nahazo voalohany tamin'ny filatrona tany amin'ny faritra Sofia tamin'ny taona 2011[1]. Ny asa ataony dia mbola mpianatra amin'ny oniversite sy mpilatro ary mpamorona lamaody.
Biôgrafia
[hanova | hanova ny fango]Fahazazana
[hanova | hanova ny fango]Nanomboka tamin'ny faha 5 taonan'i Dina Ninie dia efa tia sady hita taratra tamin'ny fiainany ny fahaizana miaingo sy manao lamaody, sady izy koa vavy tokana raha teo.
Fianarana
[hanova | hanova ny fango]Nianatra tamin'ny sekoly masera St Thérèse tamin'ny ambaratonga voalohany, tany Mandritsara ary nahazo diplôma bakalorea tao amin'ny sekoly Jean Paul II, ka nanohy tamin'ny Oniversite Mahajanga tamin'ny taona 2011 izy. Manana mari-pahaizana mombany lamaody sy fijejona izy tamin'ny taona 2013.