Deoterô-Zakaria

Avy amin'i Wikipedia

Ny Deoterô-Zakaria dia ampahany faharoa ao amin' ny Bokin' i Zakaria ao amin' ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly, izay manomboka amin' ny toko faha-9 ha miafara amin' ny toko faha-11 na faha-14, sady heverina fa nosoratana taorian' ny fotoana nahaveloman' ny mpaminany Zakaria. Mety teo anelanelan' ny taonjato faha-5 sy faha-2 tal. J.K. no nanoratana azy.

Ny Bokin' i Zakaria dia fitambarana boky roa na telo samy hafa ka ity faharoa, izay atao hoe Deoterô-Zakaria (toko 9 – 11), sy ny fahatelo atao hoe Tritô-Zakaria (toko 12 – 14) dia nosoratana fotoana ela taty aorian'ny nanoratana ny voalohany. Misy ny manambatra ny toko faha-12 – 14 ao amin'ny Deoterô-Zakaria ka manafoana ny Tritô-Zakaria.

Ny Deoterô-Zakaria dia hafa tanteraka fa tsy mitovy amin'ny tapany voalohan' ny Bokin' i Zakaria, satria tsy ahitana intsony ny anaran' i Jôsoa mpisorona sy ny an' i Zôrôbabela ary ny resaka momba ny fananganana indray an' i Israely. Tsy misy ny fitenenana ny amin' ny fanamboarana ny Tempoly faharoa. Miompana amin' ny lohahevitry ny fiandrasana ny Mesia ny fitambaran' ireo lahatsorara rehetra ireo.

Fotoana nanoratana[hanova | hanova ny fango]

Amin’ izao ireo mpikaroka dia mihevitra fa ny Deoterô-Zakaria dia nangonin' olon-tsy fantatra tamin' ny faran' ny taonjato faha-4 (anelanelan' ny taona 322 – 300) tal. J.K. Ny voasoratra ao amin' ny 9.1-8 dia mifanandrify amin' ny fandresen' i Aleksandra; miresaka ankolaka ny fitondrana babo nataon' i Ptôlemaiôsy I (taona 311) ny andalana 9.11-12; manambara ny fisaraham-bazan' ny Samaritana avy tamin' ny Jiosy (taona 328) ny andalana 11.14.

Haorina indray i Jerosalema[hanova | hanova ny fango]

Ahitana teny faminaniana apôkaliptika misy fitenenana an-kolaka zavatra saro-takarina sady mikasika lohahevitra taloha kokoa ny Deoterô-Zakaria. Ny mafonja indrindra amin' ireo dia ny hiverenan' Andriamanitra, ny handresen' ny Mesia Mpanjaka, ny hananganana indray an' i Israely aorian' ny haharesen' ny fahavalony.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]