Debian

Avy amin'i Wikipedia
Lôgô ampiasain'i Debian

Debian dia mpandrindra milina mampiasa rindrankajy malalaka ary Open Source (manam-pango azo jerena ary ovaina) mitondra ny lisansa malalaka GNU/GPL miara-mihatra amin'ny lisansan'ny rindrankajy efa misy ao anatiny.

Fisehon'ny biraon'i Debian amin'ny teny frantsay

Noho ny fahalazany dia nisy mpandrindra milina roa hafa mifototra amin'ny renifangon'i Debian. Ny tena malaza amin'izy ireo dia Knoppix ary Ubuntu.

Ny tetikasa Debian[hanova | hanova ny fango]

I Debian dia fizarazarana GNU/Linux tsy manan-tanjona ny hanangom-bola, naorin'i Ian Murdock tamin'ny 1993 miaraka amin'ny fanohanan'i Free Software Foundation ; ny tanjony amin'ny ankapobeny dia mamorona mpandrindra milina iray malalaka mampiasa rindrankajy malalaka. Ny tena fanononan'i Debian dia /debian/. Ny fihavian'io anarana io dia avy amin'ny fampikambanana ny teny Debra (vadin' Ian) ary Ian, ny mpamorona ilay tetikasa Debian.

Misy fototra telo ilay tetikasa Debian :

  1. Fifanarahna ara-tsosialy amin'ny fikambanan'ny rindrankajy malalaka izay mamaritra ny fitsipika ankapobe eken'ny mpanoratra rindrankajy ;
  2. Ny fototry ny rindrankajy malaka aarak'i Debian (na DFSG) izay mamaritra ny dikan'ny teny "malalaka" ho an'ny mpamoron'i Debian ;
  3. Lalam-panorenana iray izay mamisavisa ny rafitry ny tetikasa, ny fomba fanapahan-kevitra ary ny anjaran'ny mpanao maro samihafa : ny talen'ny tetikasa, ny sekretera, ny mpamorona sns. Mampiasa fomaba fandatsaham-bato ny demokrasia Internet : ny fomban'i Schulze (anisan'ny fomban'i Condorcet).

Amin'ny lafiny ara-pitsarana, tetikasan'ny fikambanana tsy manangom-bola manana anarana SPI (Software in the Public Interest) i Debian.

Talen-tetikasa[hanova | hanova ny fango]

Ireo no talen-tetikasan'i Debian taloha : [1] :

  1. Ian Murdock (aogositra 1993martsa 1996) ny mpamorona ny tetikasa Debian
  2. Bruce Perens (aprily 1996desambra 1997) ;
  3. Ian Jackson (janoary 1998desambra 1998) ;
  4. Wichert Akkerman (janoary 1999martsa 2001) ;
  5. Ben Collins (aprily 2001aprily 2002) ;
  6. Bdale Garbee (aprily 2002aprily 2003) ;
  7. Martin Michlmayr (martsa 2003martsa 2005) ;
  8. Branden Robinson (avril 2005aprily 2006) ;
  9. Anthony Towns (aprily 2006aprily 2007) ;
  10. Samuel « Sam » Hocevar (aprily 2007aprily 2008) ;
  11. Steve McIntyre (aprily 2008aprily 2010)[2],[3] ;
  12. Stefano Zacchiroli (aprily 2010 – ankehitriny)[4].

Mpandrindra ny famoahana[hanova | hanova ny fango]

  1. Brian C. White (1997 – 1999).
  2. Richard Braakman (1999 – 2000).
  3. Anthony Towns (2000 – 2004).
  4. Steve Langasek, Andreas Barth et Colin Watson (2004 – 2007).
  5. Andreas Barth et Luk Claes (2007 – 2008).
  6. Luk Claes et Marc Brockschmidt (2008 – 2009).
  7. Luk Claes et Adeodato Simó (2009 – 2010).
  8. Adam D. Barratt and Neil McGovern (2010 – ankehitriny)[5]

Fizarazarana ny rindrankajy[hanova | hanova ny fango]

Eo amin'ny dimy arivo sy roa hetsy eo no isan'ny pakajin-drindrankajin'i GNU/Linux izay amboarina ary kojakojain'ny mpamorona rindrankajy mahery ny iray arivo. Fantatra amin'ny mpikarakara pakejy ho azy manokana i Debian, izy ireo dia mitondra ny tovana .deb hahafahana manao fanavaozana ary mampiantoka mpandrindra milina ranoray. Betsaka ireo fitaovana izay mety zakan'i Debian x86, SPARC, PowerPC, MIPS (big ary little-endian), IA-64, S/390, AMD64, ARM, Alpha ary PA-RISC (amin'ny fomba ofisialy, tsy zakan'i Debian intsony ireo mpizara fitaovana roa farany ireo manomboka ny version "Squeeze"). Misy fitaovana manana firafitra hafa zakany, fa tsy zany amin'ny fomba ofisialy.

Fizarazarana ny pakajin-drindrankajy[hanova | hanova ny fango]

Misy fizarana telo azo ampiasaina isaky ny sampanana iray :

  • Ny fizarana main dia ny lohafizaran'i Debian. Misy ny ankamaroan'ny pakejy ao aminy ;
  • Ny fizarana non-free (tsy malalaka) dia manangona ny pakejy izay tsy manaka ny DFSG. Tsy ao amin'ny fizarana ofisialy intsony izy ireo ary tsy vaozin'ny mpanoratr'i Debian izy ireo. Ny pakejy vrms dia manoro raha misy pakejy non-dree eo amin'ny mpandrindra milina.
  • Ny fizarana contrib izay misy ny pakejy manaja ny DFSG, fa miankina amin'ny pakejy iray ny fizarana non-free.

Misy fametrahana rindrankajy hafa ao amin'i Debian, sahala ireo fametrahana backports izay hahafahana mampiasa ny sampandraharaha fanaovana backporting ho an'ny mpampiasa ny "version stable", ankehitriny manohana ny petra-drakitra backport amin'ny fomba ofisialy i Debian.

Fikarakarana ny pakajy[hanova | hanova ny fango]

Dpkg no rindrankajy reniny ampiasaina ho an'ny fikasikasihana ny pakejy (miantso azy koa i APT ho an'ny fametrahana ny rindrankajy). Ny dikan'i APT dia "Advanced Packaging Tool" (na "Fitaovana Fitantanana havanana kokoa ny pakejy amin'ny teny malagasy) dia interface havanana ho an'ny rafitra fitantanana ny pakejy Debian, izy io dia rindrankajy maro manomboka amin'i teny "apt-" (oh. : apt-get, apt-cache, apt-cdrom ...). Ankoatran'ny hamora ny fampiasany sy ny fahafahany manao zavatra maro, ny tena ilana azy dia ny fitantanany amin'ny fomba aotômatika ny fifampilana eo anivon'ny pakejy. Misy koa interface an-tsary ho an'io rindrankajy io : Synaptic.

Synaptic
Synaptic

Dselect no interface ho an'ny mpampiasa taloha, hahafahana mitantana ny pakejy moramora kokoa. Manomboka lasan'i Aptitude ny anjara toerany.

Ireo Debian[hanova | hanova ny fango]

  • stable : version efa mipetraka. Mikasika ny fiarovana ihany ny fanavaozana.
  • testing : version efa hipetraka. Ny pakejy efa masamasaka ihany no ampidirina.
  • unstable : mitondra anarana koa hoe Sid. Version miovaova ary mivoatra matetika, matetika ny fanavaozana.

Miampy amin'izany koa dia misy petra-drakitra manana anarana backports ary hafa mitondra anarana Experimental izay mitondra ny pakajin-drindrankajy mbola andramana, mety manimba ny mpandrindra milina ny fampiasana ireo pakejy izay mbola atao andrana..

Ny Live CD (Kapila mahaleotena) koa dia misy ho an'i Debian, izy io dia hahafahana manandrana an'i Debian amin'ny alalan'ny fanatsofohana ny CD ao amin'ny toerany rehefa mandrehatra ny solosaina. Tsy mikasika ny zava-misy eo amin'ny kapila mangirana (HDD/disque dur)

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

  1. http://www.debian.org/doc/manuals/project-history/ch-leaders Archived Desambra 12, 2018 at the Wayback Machine A Brief History of Debian Chapter 2 – Leadership
  2. ((en)) Debian Project Leader Election 2008 Results
  3. ((en)) Debian Project Leader Election 2009 Results
  4. ((en)) Debian Project elects Stefano Zacchiroli as next Project Leader, Fampandrenesana ny gazety an'i Debian, 16 apr. 2010
  5. ((en)) "Bits from the (chilly) release team".
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Mpandrindra milina
Apple : System 5 · System 6 · System 7 · Mac OS 8 · Mac OS 9
Linux : Arch Linux · Debian · Frugalware · Fedora · Funtoo · Gentoo · Mandriva · Red Hat · Slackware · SUSE · Ubuntu
GNU : Debian GNU/Hurd · Arch Hurd
BSD : FreeBSD · NetBSD · OpenBSD · DragonFly BSD · PC-BSD
Microsoft Windows : MS-DOS 1 2 3.x 95 · 98 · 98SE · 2000 · ME · XP · Vista · 7
IBM : AIX · MVS · OS/2 · OS/360 · OS/390 · z/OS · OS/400