Dajjal
Ny Dajjal na Al-Masih ad-Dajjal dia olona ratsy resahina ao amin' ny eskatôlôjia silamo izay hilaza ny tenany ho ilay Mesia nampanantenaina ary avy eo dia milaza ny tenany ho Andriamanitra, miseho alohan' ny andro fitsarana araka ny fitantarana eskôtôlojia silamo. Atao hoe ٱلْمَسِيحُ ٱلدَّجَّالُ / al-Masīḥ ad-Dajjāl, izany hoe "Mesia mpamitaka" na "Mesia sandoka" izy amin' ny teny arabo. Ny teny hoe Dajjal dia tsy voatonona ao amin' ny Kor'any, fa voatonona sy voalaza ao amin' ny hadita. Mifandraika amin' ny Antikristy ao amin' ny kristianisma ny Dajjal izay voalaza fa hipoitra any Atsinanana, na dia miovaova aza ny toerana misy azy arakaraka ny loharanom-pahalalana samihafa.
Ny Dajjal dia haka tahaka ny fahagagana nataon' i Jesoa, toy ny fanasitranana ny marary sy ny fananganana ny maty, ny farany dia natao tamin' ny fanampian' ny demony. Olona maro toy ny mpanenona sy ny mpanao ody ary ny zanaky ny fijangajangana no hofitahiny.