Dàna (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Dàna

Ny Dàna na Iakoba dia vahoaka ao Afrika Andrefana, anisan' ny vahoaka mande, monina indrindra any afovoan-andrefana sy avaratra-andrefan' i Kôtidivoara sy akaikin' i Liberià. Manodidina ny 700 000 izy ireo ary ny tanàna lehibe indrindra ao aminy dia i Man any Kôtidivoara. Anisan' ny vahoaka mpifanolo-bodirindrina aminy ny Kràna (Krahn) sy ny Kpela (Kpelle) ary ny Manô (Mano). Antsoina amin' ny fomba ôfisialy amin' ny anarana hoe Iakoba izy ireo any Kôtidivoara.

Nipetraka tao betsaka ny Gere (Guéré). Amin' izao fotoana izao, na dia misy Iakoba aza tavela ao Toulepleu, ny ampahany be amin' ity tanàna ity dia onenan' ny Gere. Ny vondrom-piarahamonina dàna-iakoba vitsivitsy koa dia monina ambadiky ny sisintany, any avaratra-atsinanan' i Liberià, ao amin'ny Kômten' i Nimba, akaikin' ny Distrikan' i Tappita ary any Ginea.

Indreto ny anarana mety hahafantarana azy ireo: Dàna-Giôha, Ge, Giôha, Giô, Ge, Iakoba, Tora, Kla, Iaonigbe.

Tombanana ho 3 000 000 any ho any ny isan' ny Dàna tamin' ny taona 2021. Ny fitenin' izy ireo dia ny fiteny dàna, izay fiteny mande, misy mpiteny manodidina ny iray tapitrisa, anisan' izany ny 800 000 any Kôtidivoara (1993) sy ny 175 000 any Liberià (1993) ary ny anjatony vitsivitsy any Ginea (2001). Mifandray akaiky amin' ny Magàna (Maghan) ao Ganà izy ireo. Mpamboly ny ankamaroany. Malaza amin' ny fanamboarana sary sokitra amin' ny hazo izy ireo.