Fiteny dàna

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny dàna, izay antsoina koa hoe fiteny giô any Liberià sy fiteny iakoba any Kôtidivoara, dia fitohizam-piteny ao amin' ny sampana atsimo-atsinanana amin' ny fiteny mande ary ampiasaina any Kôtidivoara, indrindra fa ny Iakoba (na Dàna), sy any Liberià, ary koa any Ginea. Ny fiteny mande akaiky azy indrindra dia ny fiteny manô (mano), ny fiteny gôô (goo) ary ny fiteny tora (tura).

Ny fiteny dàna dia ampiasain' ny olona miisa manodidina ny 800 000 any Kôtidivoara sy 150 000 - 200 000 any Liberià. Misy mponina 800 eo ho eo koa ao Ginea.

Anarana hafa mety hiantsoana ny fiteny dàna dia fiteny iakoba na fiteny iakobasa, fiteny giô, fiteny giô-dàna, ary fiteny da. Ny fitenim-paritra dia ny fiteny giô (fiteny dàna liberiana), ny fiteny goetao (fiteny dàna atsinanana), ny fiteny blôoô (fiteny dàna andrefana), ary ny fiteny kla. Ny fiteny kla dia mazava ho azy fa fiteny miavaka.