Centre d'évangélisation de Madagascar

Avy amin'i Wikipedia

Ny Centre d'évangélisation de Madagascar (CEVAM) dia fiangonana ara-pilazantsara sady karismatika ary manaraka ny fampianaran' ny Fiangonan' ny Mpirahalahy (Quakers), izay naorin' i Salomon Rabarison, tamin' ny taona 1996 tao Antananarivo.

Ny mpanorina[hanova | hanova ny fango]

Ny mpanorina azy, ny pastora Salomon Rabarison, dia nivavaka tao amin' ny fiangonana prôtestanta taloha, fa ny ray aman-dreniny no nitarika azy tany amin' ny fiangonana pentekôtista, dia ny Fiangonana Jesosy Mamonjy, izay naorin' i Mounir Aziz Daoud mivady. Mpandika tenin' i Daoud izy tao sady nanampy azy tamin' ny zavatra hafa koa. Niasa tamin' ny fiteterana ana habakabaka Air Madagascar izy nefa nametra-pialana tamin' izany asany izany izy tamin' ny taona 2005 mba hifantohany bebe kokoa amin' ny asa fitoriana, taorian'ny fitsanganan' ilay fiangonana.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 1993 no nahatsapa ho voatson' Andriamanitra amin' ny fitoriana ny  Flazantsara i Salomon Rabarison. Tsy nieritreritra ny hanangana fiangonana izy, fa vondrom-bavaka an-tokantrano no nataony teo anelanelan' ny taona 1995 sy 1996. Mpitoriteny mandehandeha no nanombohan' izy mivady ny asa fanompoana. Nitsidika fiangonana efa misy izy ireo raha nankato izany ny ao amin' ilay fiangonana, indrindra fa ny fiangonana evanjelika. Nitory tamin' ny radiô koa izy mivady.

Tamin' ny taona 1996 no niorina tao Antananarivo ilay fiangonana. Tamin' ity taona 1996 ity dia nisy olona manodidina ny 50 no naira-nivavaka tao amin' izy ireo ka efa tsy omby trano izany. Naorina noho izany ny fiangonana ary namboarina ny toerana fanaovam-batisa. Niala tao amin' ny Fiangonana Jesosy Mamonjy amin' izay izy mivady. Nisy mpiasa amin' ny fitaterana ana habakabaka maro tonga niara-nivvaka tao amin' ilay fiangonana.

Fampianarana[hanova | hanova ny fango]

Fampianarana kristiana ara-pilazantsara no fampianaran' ilay fiangonana, indrindra ny amin' ny fiainana ao amin' ny Fanahy Masina, ny fanantitranterana ny hatsaran' Andriamanitra ary ireo fampianarana mampiavaka ny fiangonana evanjelika amin' ny fiangonana hafa. Nisafidy ny fomba fiainana sy ny fampianaran' ny Fiangonan' ny Sakaiza (Quakers) manokana ity fiangonana ity izay sady karismatika koa ka nanatevin-daharana izany firehana izany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]