Cebu (nosy)

Avy amin'i Wikipedia
Ny nosy Cebu

I Cebu dia iray amin' ireo nosy lehibe indrindra ao Filipina izay eo afovoan' ilay firenena, eo anelanelan' ny nosy Mindanao any atsimo sy ny nosy Luzon any avaratra. Ny tanàna lehibe indrindra ao dia i Cebu, izay renivohitry ny faritany mitovy anarana. Mirefy 225 km ny halavany ary 35 km ny sakany lehibe indrindra. Atao hoe Sugbo, izy amin' ny teny seboano.

Jeôgrafia[hanova | hanova ny fango]

Ny nosy Cebu ao Filipina

Ny nosy Cebu dia tery, be mponina (ny Seboano), efa ho 200 km avy any avaratra ka hatrany atsimo ary eo amin' ny 40 km avy any atsinanana ka hatrany andrefana amin' ny sakany lehibe indrindra. Mamakivaky azy manaraka ny halavany ny tandavan-tendrombohitra manana tampona mirefy 1 108 m eo amin' ny Tendrombohitra Cabalasan. Ny toetany dia trôpikaly.

Ny tanàna lehibe, izay foibem-pitantanana sady seranan-tsambo faharoa ao Filipina, dia i Cebu, izay misy mponina 700 000 eo ho eo. Ny tangoron-tanàn' i Cebu, izay ahitana koa an' i Mandaue sy i Lapu-Lapu (Mactan), no faharoa lehibe indrindra ao amin' ilay firenena, aorian' ny tagoron-tanàn' i Manila renivohitra.

Ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Mactan-Cebu dia ao amin' ny nosy Mactan, eo amin' ny 30 m miala ny afovoan-tanànan' i Cebu. Ny tanàna Cebu-Mandaue dia mifandray amin' i Mactan amin' ny alalan' ny tetezana roa miampita ny rantsan-dranomasina manasaraka ny nosy Mactan sy ny nosy Cebu.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]