Leyte (nosy)

Avy amin'i Wikipedia
Toerana misy ny nosy Leyte

I Leyte dia nosin' i Filipina amin' ireo nosy ao amin' ny vondronosy Visayas. Efa ho 2 tapitrisa ny mponina ao. Manodidina ny 180 km eo ho eo ny halavan' ilay nosy avy avaratra mianatsimo, ary 65 km eo ny sakany lehibe indrindra.

Any avaratra, ity nosy ity dia tena akaiky an' i Samar, izay sarahan' ny andilan-dranomasin' i San Juanico aminy, mielanelana 2 km monja sady atohin' ny tetezan' i San Juanico. Any avaratr' i Leyte ihany koa no ahitana ny nosy sady Faritanin' i Biliran izay mifandray aminy amin' ny alalan' ny tetezana miampita ny Andilan-dranomasn' i Biliran.

Any atsimo ny nosy Leyte dia misaraka amin' i Mindanao amin' ny alalan' ny Andilan-dranomasin' i Surigao. Misokatra amin' ny Ranomasin' i Filipina sy ny Ranomasimbe Pasifika any atsinanana i Leyte. Any avaratra-atsinanana ny nosy Samar sy ny nosy Dinagat any atsimo-atsinanana dia mamorona Hoalan' i Leyte. Any andrefana no misy ny nosy Cebu sy ny nosy Bohol.

I Leyte dia nosy be tendrombohitra izay rakotra ala indrindra nefa toerana iroboroboan' ny fambolena ny Lohasahan' i Leyte any avaratra-atsinanana. Ara-pôlitika dia mizara roa ilay nosy, i Leyte sy i Leyte Atsimo. Ao amin' ity farany ity no ahitana ny nosy Panaon ihany koa. I Tacloban, any amin' ny morontsiraka atsinanan' i Hoalan' i Leyte, sy i Ormoc, any amin' ny morontsiraka andrefana, no tanàna roa lehibe indrindra ao amin' ilay nosy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]