Panay (nosy)

Avy amin'i Wikipedia
Ny nosy Panay ao amin' ny tangoronosy Visayas

I Panay dia nosin' i Filipina ao amin' ny tangoronosy Visayas. Voahodidin' ny nosy Tablas sy ny nosy Sibuyan any avaratra, ny nosy Masbate any avaratra atsinanana, ny nosy Cebu, ny nosy Negros ary ny nosy Guimaras any atsimo-atsinanana ity nosy ity. Voafaritry ny Ranomasina Sibuyan ao avaratra, ny Ranomasina Visayan ao atsinanana, ny Andilan-dranomasin' i Guimaras ao atsimo-atsinanana, ny Hoalan' i Panay ao atsimo ary ny Ranomasin' i Sulu ao andrefana ny nosy Panay.

Ara-pitantanana dia mizara ho faritany efatra ilay nosy: ny nosy Aklan, ny nosy Antique, ny nosy Cápiz ary ny nosy Iloilo, izay any amin' ny faritra andrefana amin' ny tangoronosy Visayas avokoa. Ny tanàna lehibe indrindra ao amin' ilay nosy dia i Iloilo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]