Cebu

Avy amin'i Wikipedia
I Cebu City

I Cebu na Cebu City dia tanàna any Filipina ao amin' ny tapany atsinanan' ny nosy mitovy anarana aminy. Renivohitry ny Faritanin' i Cebu sy an' ny Faritra Central Visayas izy . Ity tanàna ity dia atao hoe Sugbo na Sugbu amin' ny teny seboano. Nomena anaram-bositra hoe The Queen City of the South ("Ny Tanànan' ny Mpanjakavavin' ny Atsimo") izy ary naka ny anarany avy amin' ny teny seboano goe sibu izay midika hoe "mivarotra". Ny Seboanô anefa miantso azy io amin' ny anarany talohan' ny fiavian' ny Espaniôla hoe Sugbo, izay amin' ny teny seboano taloha dia midika hoe "tany may" na "tany mirehitra". Ny faritra metrôpôlitan' i Cebu dia misy mponina efa ho telo tapitrisa, ka izany no faritra metrôpôlitana faharoa be mponina indrindra ao amin' ilay firenena aorian' i Manila. i Cebu koa no tanàna tranainy indrindra ao Filipina ary toerana voalohany nozanahan' ny Espaniôla tao amin' ,y vondronosy.