Bodoma (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Lehilahy bodoma ao Tsady

Ny Bodoma na Iedina dia vahoaka ao Afrika Afovoany monina any amin' ny morony avaratra amin' ny farihy Tchad sy amin' ny nosy maro ao amin' io farihy io, indrindra ao Tsady, nefa ahitana azy ireo koa ny ao Nizera, ny ao Nizerià ary ny ao Kamerona.

Niisa 128 800 izy ireo tamin' ny taona 2019 ka ny 123 000 tao Tsady, ny 5 300 tao Nizerià ary ny 500 tao Kamerona.

Mpanjono sy mpiompy andian' omby ny ankamaroany. Taloha dia nanao bemidina tamin-kerisetra maka ny andian' ombin' ny mpifanolo-bodirindrina aminy ny Bodoma. Natahoran' ny olona izy ireo ary nalaza ratsy ho mahery setra; noho izany dia nohajaina sy navela hitoka-monina nandritra ny taona maro, voaaron’ ny rano sy bararata ny toeram-ponenany.

Amin' izao fotoana izao dia olona milamina sy sariaka izy ireo ary vonona ny handray fanovana môderina sasany. Na dia antsoin’ ny mpifanolo-bodirindrina aminy aza izy ireo hoe Bodoma (Buduma), izay midika hoe “vahoakan' ny ahitra" na "vahoakan' ny bararata”, dia aleony antsoina hoe Iedina (Yedina). Ny fitenin' izy ireo dia antsoina hoe fiteny bodoma na fiteny iedina, izay fiteny tsadika.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]