Bney Menase

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' ny Bney Menase

Ny Bney Menase dia vahoaka aziatika any amin' ireo fanjakana amin' ny tapany avaratra-atsinanan' i India, any amin' ny sisin-tany birmana, dia i Manipur sy i Mizoram, izay fantatra amin' izao fa manam-piaviana jiosy. Hatramin' ny taonjato faha-20 ka hatramin' izao dia ny vondrona atao hoe Chin sy Kuki ary Mizo ao amin' io faritra io no milaza ny tenany fa taranaky ny iray amin' ireo foko folo verin' i Israely ka nadray ny jodaisma ho fivavahany[1]. Tamin' ny faran' ny taonjato faha-20 ny raby Eliyahu Avichail, ao amin' ny vondrona Amishav, dia nanome anarana ireo olona ireo hoe Bnei Menashe ("zanak' i Manase"), araka ny fitantaran' izy ireo ny maha taranak' i Manase azy[2]. Ny ankamaroan' ny mponina ao amin' ireo fanjakana roa resahina eo ambony ireo, izay miisa maherin' ny 3 700 000 sady manana ny fomba amam-panao azy ireo tsirairay, dia tsy manao ny tenan' izy ireo ho taranaka israelita.

Ny ankamaroan' ny Bney Menase dia nanaraka ny fivavanana kristiana. Nefa tamin' ny taona 1951 dia nilaza ny iray amin' ny mpitarika azy fa nahita tamin' ny nofy ny maha tanindrazan' ny vahoakany an' i Israely[3]. Efa hatramin' ny taona 1950 izy ireo no nanambara fa taranaky ny fokon' i Manase izay nitady fialofana tany amin' ny faritra faran' izay lavitra any Azia. Hatramin' ny faran' ny taonjato faha-20 no mankaty dia misy ny nandray ilay hevitra manao azy ireo ho Jiosy, nefa mitohy ny finoan' izy ireo ny maha Mesia an' i Jesoa (Jodaisma mesianika). Nanomboka tamin' ny taona 1970 ny Bney Menase dia nianatra sy niaina ny jodaisma noho izy ireo maniry ny hiverina amin' izay inoany fa fivavahan-drazany. Araka ny Shavei Israel (fikambanana israeliana mitady ireo foko folo very) dia miisa 10 000 eo ho eo ny Bney Israely.

Tamin' ny Marsa 2005, rehefa avy nanadihady ny raby lehibe sefarada ao Israely (Rabbi Shlomo Amar) dia resy lahatra ny amin' ny maha taranak' i Israely ny Bney Menase, ka nanaiky ny fitakian' izy ireo ny maha taranaka jiosy[4].

Ny 1 000 amin' izy ireo[4] dia monina ao Israely amin' izao fotoana izao, sady efa niova finoana ho amin' ny jodaisma. Ny 7 000 hafa[5] dia mbola monina any Mizoram (fanjakana any India avaratra atsinanana) miandry ny fiovam-pinoany ho amin' ny jodaisma ofisialy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano[hanova | hanova ny fango]

  1. Weil, Shalva. "Double Conversion among the 'Children of Menasseh'" in Georg Pfeffer and Deepak K. Behera (eds) Contemporary Society Tribal Studies, New Delhi: Concept, pp. 84–102. 1996 Weil, Shalva. "Lost Israelites from North-East India: Re-Traditionalisation and Conversion among the Shinlung from the Indo-Burmese Borderlands", The Anthropologist, 2004. 6(3): 219–233.
  2. Fishbane, Matthew (19 Febroary 2015). "Becoming Moses" Archived Jiona 3, 2016 at the Wayback Machine. Tablet Magazine. Notsidihia tamin'ny 2 May 2016.
  3. "India's 'Lost' Jews Seek A Place In Israel", National Public Radio. inc
  4. 4,0 et 4,1 "An aliya voyage across the millennia from India", MICHAEL FREUND, Jerusalem Post, 22 Novambra 2006.
  5. "A miracle of biblical proportions", MICHAEL FREUND, Jerusalem Post, 4 Oktobra 2006.