Atỳ (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Aty (vahoaka))
Vehivavy Aty manao fitafiana amin' ny festivaly Kalibo Ati-Atihan

Ny Atỳ na Inatỳ dia vahoaka negritô any Filipina ao Visayas (na Bisayas), faritra afovoan' ny vondronosy Filipina. Any amin' ny nosy Boracay sy Panay ary Negros no tena ahitana azy ireo. Misy ifandraisany ara-pototarazo amin' ny vahoaka negritô hafa any Filipina toa ny Aeta ao Luzon, ny Bataka any Palawan, ny Agta any Sierra Madres, ary ny Mamanoa any Mindanao izy ireo.

Miaina anaty vondrona kely any amin' ny faritany samihafa ao amin' ilay nosy. Anisan' ny Negritô izy ireo.

Vehivavy Atỳ

Ny Atỳ dia miteny amin' ny fiteny aostrôneziana ao amin' ny vondrona bisaiana amin' ny fiteny filipina ao amin' ny sampana malaiô-pôlineziana. Amin' i Robert Blust anefa, ny fitenin' izy ireo dia anisan' ny fiteny inaty, izay vondrona iray hafa ao amin' ny fiteny filipina.

Ny Atỳ dia manaraka endri-pivavahana animista izay misy finoana ny fisian' ny fanahy tsara sy ratsy. Ireo fanahy ireo dia fanahy eny amin' ny zavaboary izay matetika miambina ny renirano, ny ranomasina, ny lanitra, ary ny tendrombohitra. Indraindray dia mety hiteraka aretina na fampiononana izy ireny. Ny Atỳ avy any Negros dia miantso azy ireo hoe taglugar na tagapuyo, izay midika ara-bakiteny hoe "monina amin' ny toerana iray." Ny kristianisma koa dia noraisin' izy ireo noho ny tsy fitokanany monina loatra sy ny fifandraisana bebe kokoa amin' ny "olona any ivelany".

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]