Asa apokrifa

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Asan'ny Apostoly apokrifa no ilazana ireo boky mitondra ny anarana hoe "Asa" nefa tsy voaray ko kanona ao amin'ny Baiboly. Naka tahaka ny anaran'ny Asan'ny Apostoly ny mpanoratra azy ireo. Karazana literatiora tamin'ny fiantombohan'ny fielezan’ny fivavahana kristiana izay mitantara ny fiainana sy ny asan'ireo mpianatr'i Jesoa Kristy ireo boky ireo. Na dia tsy kanonika aza izy ireo dia ahafahana mamantatra ny amin'ny asa fitoriana ny filazantsara tany amin'ireo vahoaka hafa ivelan'ny voalaza ao amin'ny boky kanonika ao amin’ny Testamenta Vaovao. Ilay antsoina hoe Asan'ny Apostoly – izay mikasika indrindra ny asa fitoriana nataon'i Petera sy i Joany ary i Paoly sady eken'ny mpandinika maro fa tohin'ny Filazantsaran'i Lioka izay samy nosoratana ho an'i Teofilo sady amin'ny fomba fanoratra mitovy – no boky mitovy sokajy amin'izy ireo ao amin'ny Baiboly kristiana.

Lisitr'ireo Asa apokrifa[hanova | hanova ny fango]

Ireto misy ohatra amin'ireo boky ireo:

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]