Arwad

Avy amin'i Wikipedia
Sarin' i Arwad azon' ny zanabolana

I Arwad na Aroada dia tanàna any Siria ao amin' ny nosy iray mitovy anarana aminy ao amin' ny Ranomasina Mediteranea. Izy io no foibem-pitantanan' ny zana-distrikan' i Arwad (nahiyah), izay hany tanàna misy ao. Io no hany nosy misy mponina ao Siria. Any amin' ny 3 km miala an' i Tartus (Tôrtôsa fahiny), seranan-tsambo faharoa lehibe indrindra any Siria, no misy azy io.

Amin' ny teny fenisiana izy dia atao hoe 𐤀𐤓𐤅𐤃 (ʾrwd) / Arwad, amin' ny teny arabo أرواد / ʾArwād), amin' ny teny latina: Aradus, amin' ny teny grika: Άραδος / Arados na Αντιόχεια της Πιερίας / Antiôkheia tês Pierias. ("Antiôkian' i Pieriasy").

Amin' ny ankapobeny dia tanànan' ny mpanjono i Arwad ankehitriny. Araka ny filazan' ny Birao Foiben' ny Statistikan' i Siria (المكتب المركزي للإحصاء), nandritra ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2004, dia nisy mponina 4 403, izay Mozilmana sonita siriana ny ankamaroany. Navoaka ny volana Mey 2016 ny drafitra mba ho fanavaozana ilay nosy mba ho toerana mahasarika mpizahatany.