Arthur de Gobineau

Avy amin'i Wikipedia
Arthur de Gobineau

I Joseph Arthur de Gobineau dia aristôkraty sy antrôpôlôga ary mpanoratra frantsay, izay fanta-daza indrindra noho ny fiheverany ho ara-drariny ny fanavakavaham-bolon-koditra tamin' ny alalan' ny fampiasany ny rijan-kevitra momba ny firazanana ara-bolon-koditra, ary noho ny fampandrosoany ny rijan-kevitra momba ny firazanan'ny Ariàna sy ny nôrdisisma (fanindrahindrana ny firazanan' ny Nôrdika). Teraka tamin' ny 14 Jolay 1816 tao Ville-d'Avray any Frantsa izy ary maty tamin' ny 13 Ôktôbra 1882 tao Turin (na Torino, any Italia). Fantatry ny mpiara-belona aminy amin' ny maha mpanoratra tantara sy diplômaty azy izy, izay nanoratra ny Essai sur l'inégalité des races humaines ("Andrana momba ny tsy fitovian' ny firazanan' ny olombelona") taoriana kelin' ny Revôlisiôna Frantsay izay niseho tamin' ny taona 1848. Tao anatin' izany asasoratra izany no nilazany fa ambony noho ny olon-tsotra ny aristôkraty ary ny aristôkraty dia manana toetra ara-pototarazo ariàna bebe kokoa noho ny tsy fisian' ny fifanambadiany amin' ny firazanana ambany.

Ny asasoratr' i Gobineau dia noderain' ny Amerikana mpanindrahindra ny fahambonian' ny fotsy hoditra sy mpanohana ny fanandevozana, toa an' i Josiah C. Nott sy i Henry Hotze, izay nandika ny bokiny tamin' ny teny anglisy. Nanaisotra pejy 1 000 eo ho eo tamin' ilay boky tany am-boalohany izy ireo, anisan' izany ny ampahany izay nanoritsoritra fa vahoaka mifangaro ara-pirazanana ny Amerikana. Nanome aingam-panahy ny hetsika ara-tsôsialy tany Alemaina antsoina hoe gôbinisma ny asasorany izay nanan-kery tamin' ny antisemita malaza toa an' i Richard Wagner (ilay mpamorona feon-kira malaza), i Houston Stewart Chamberlain vinantolahin' i Wagner, ilay mpanao pôlitika romaniana A. C. Cuza, ary ny mpitarika ny antoko Nazi, izay nanova sy namerina nanonta indray ilay tsanganasa.